“Vinavinaina hiasa amin’ny fiandohan’ny taona 2024 izao ny train urbain mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, ny alakamisy teo. Nahemotra, hoy izy, ny fampandehanana ity fitaterana an-dalamby ity, noho ny fanamboarana samihafa, toy ny fanatsarana ny lalamby sy ireo […]
Toe-karena
vita ny tetezana mangalaenatra : misokatra ny lalana Ifanadiana-Ikongo
Tanjon’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny hisokafan’ny fifamoivoizana mandavan-taona, aorian’ny fahavitan’ny lalana. Vita ny tetezana any Mangalaenatra ary manomboka ny fanarenana ny lalana. Hivaha ny olana amin’ny fitokana-monina any amin’ny distrika Ikongo, noho ny haratsian’ny lalam-pirenena RN14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Tsiahivina fa nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), ny kolonely Andrianatrehina […]
Cop28 : hamafisina ny fiaraha-miasan’ny Airtel sy ny tsy miankina
Mandray anjara amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena manoloana ny fiovan’ny toetr’ andro, Cop 28, any Dubaï ny vondrona Airtel Africa plc. Nohamafisin’ny tale jeneraly (DG), Segun Ogunsanya, ny 6 desambra teo, fa zava-dehibe ny fisian’ny paikady manome lanja ny fampandrosoana maharitra sy ny mahakasika ny toetr’andro iarahana amin’ny sehatra tsy miankina aty […]
Fahitalavitra : namoaka « décodeur connecté » ny Canal+
Tonga eto Madagasikara ny « décodeur connecté », hiaka farany amin’ny tolotra omen’ny Canal+ Madagascar ho an’ny mpanjifa. Miavaka ny « décodeur » na eo amin’ny kalitaon’ny sary (4K) sy ny safidy samihafa omeny. Manana « double réception », izany hoe, azo avy amin’ny zanabolana (satellite) sy ny Internet ny […]
Fanarenana ny Madagascar Airlines : hampindram-bola 20 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena
Hisitraka fanampiana mitentina 20 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny Madagascar Airlines ho fanarenana ny kaompania. Anatin’ny fanarenana tanteraka ny Madagascar Airlines ankehitriny. Noho izany “miato avokoa ny sidina ataony”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny fampirantiana ny tantaran’ny rafi-pitantanan’ny fiaramanidina […]