Toe-karena

Asa Avotra Mirindra faha-5 : Tantsaha 14 000 nisitraka tohana

Tontosa tao anatin’ny 40 andro ny andiana asa fahadimy amin’ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny faritra Analamanga, nanomboka ny 13 novambra 2024 hatramin’ny 7 febroary 2025. Miisa 28 ny kaominina nisitraka ny tetikasa ao anatin’ny distrika Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Natao hanampiana amin’ny famokarana, ny fihariana ary hanatsarana ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nifarana ny tetikasa « Tontolo voajanahary lo­vain-jafy », any amin’ny ilany atsinanan’i Mada­gasikara. Voakasik’izany ny faritra arovana Tanda­vanala Ankeniheny-Zahamena (CAZ) sy Ambositra-Vondrozo (Cofav). Nahafahana nampihena ny faharefoan’ny tantsaha miisa 23 800. Nihena hatrany amin’ny 9 tapitrisa taonina koa ny famoahana entona karbona. Misanda 3 375 tapitrisa dolara ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara ny taona […]

Seha-pihariana ronono: Mamelona fianakaviana maro

Mahatratra 7 tapitrisa litatra isan-taona ny ronono miditra ao amin’ny orinasa So­co­lait. Miara-miasa amina mpi­ompy manodidina ny 3 000 sy mpanangom-bokatra miisa 8 izy. Mifandray mivantana amin’­ireo mpiompy kosa ireo mpa­nangom-bokatra 150. Orinasa malagasy anisan’ny mamokatra sy manana vokatra maro ny Socolait. Mampidi-bola amina tokantrano maro izy no sady manome […]

« GMW 2025 » : Fanabeazana ara-bola mandritra ny herinandro

Hankalazaina nanomboka ny 10 hatramin’ny 23 marsa ny Herinandron’ny vola na “Global Money Week (GMW)”. Lohahevitra noraisina ny « Aza manaraka ambokony, ampiasao am-pahendrena ny volanao ». Misy ny hetsika manokana, « Salon GMW 2025 », atao etsy amin’ny tokotany malalaka Ha­voria Anosy, ny 19 hatramin’ny 21 marsa. Mikarakara azy ny Banky foiben’i Madaga­sikara […]