Toe-karena

Renirano Kamoro Maevatanana: mpitrandraka volamena an-tsokosoko tratra

Miverina indray ny fitrandrahana an-tsokosoko volamena ao amin’ny reniranon’i Kamoro any Maevatanana. Nidina ifotony ny minisitera, ka teratany vahiny miisa 10 no tratra. Nahazo fitarainana ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS), fa misy indray ireo mpitrandraka volamena an-tsokosoko ao amin’ny reniranon’i Kamoro, kaominina Marokoro, distrika Maevatanana. […]

Fampandrosoana : manomboka ny fizarana « titre vert »

Dingana goavana amin’ny fampandrosoana ny seha-pamokarana sy hanatrana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary ny fampananan’asa ho an’ny tanora ny tetikasa “titre vert”. Tanora mpamboly 100 mianadahy nisitraka velarantany 200 ha tao amin’ny fokontany Tsi­manariloka, kaominina Itremo, distrikan’Am­batofi­nandrahana, ho an’ny faritra Amoron’i Mania. Lehilahy ny 67% an’ireo tanora nahazo izany raha toa […]

Aviation civile de Madagascar : nihena ny mpandeha fiaramanidina tao anatin’ny iray volana

Nanomboka mihena ny isan’ny mpandeha fiaramanidina eto Madagasikara ny volana aogositra teo. Ny volana oktobra teo, nilatsaka ny antontanisa noho isika manomboka miditra amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Nilatsaka hatrany amin’ ny 117 000 ny mpan­deha fiaramanidina ny volana septambra teo raha toa ka nahatratra 130 000 izany ny volana aogositra, araka […]

Fiaraha-miasa : tetikasa roa hampandrosoana ny toekarena

Natao hampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny firenena malagasy ny tetikasa AMRP sy ARCEB, niarahan’ny governemanta Malagasy sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana. Ani­san’ny zava-bitan’ny tetikasa ny fanadihadiana izay nanome soritra ny mety hanakarana ny tahan’ny tsindrin-ketra amin’ny alalan’ny fanakarana ny vola miditra ho an’ny fanjakana. Ao ihany koa […]