Miantraika betsaka eo amin’ny toekaren’ny mponina ny vidim-piainana. Tamin’ity volana oktobra ity, nidina ho 8,5% ny taha, araka ny antontanisa navoakan’ny Instat. Nahitana fihenana raha oharina tamin’ny volana avrily teo ny fiakaran’ny vidim-piaianana eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (INSTAT), Ndremitsara Tarzan. Nilatsaka ho 8,5% […]
Toe-karena
« SNISE en ligne »: Teknolojia niomerika amin’ny fitantanan- draharaha
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fitaovana « SNISE en ligne ». Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, sy ny UNFPA, entina hanavaozana ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Rafitra nasionaly hanombanana ara-informatika ny « SNISE en ligne » eo ambany fiahian’ny fitantanana jeneralin’ny Toekarena sy ny tetibola (DGEP), entina hanaraha-maso sady hanombanana ny fandaharanasan’ny governemanta. […]
ODD : Tsy ho foana ny fahantrana amin’ny 2030
Ankalazaina isaky ny 17 oktobra ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fahantrana. Saingy tsy mety foana izany, fa vao maika aza hitombo any amin’ny firenena tena mahantra toa an’i Madagasikara. Araka ny tatitra navoakan’ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny 22 oktobra 2023 teo, mbola miaina latsaky ny 6,85 dolara, izany hoe 30.000 […]
Fanorenana trano: mafy sady azo ihoriranana ny rindrina vita amin’ny polystyrène
Notaterahina ny sabotsy teo, nandritra ny foara momba ny trano, tetsy Tanjombato ny “crash-test”, fampitahana ny rindrina vita amin’ny biriky sy ny polymur ary ny parpaing. 1mn 4s ny famakiana ny rindrina vita amin’ny biriky, 3mn 40s ny parpaing ary 7mn 47s ny « polymur », izay rindrina vita amin’ny vy sy […]
Korea : Fivoriana mahakasika ny tontolo iainana
Nandray anjara tamin’ny Fivoriambe iraisam-pirenena hiovana any amin’ny fampandrosoana maharitra (SDTF) i Madagasikara. Natao tao amin’ny Incheon City any Korea ity atrikasa lehibe ity, ny 16 hatramin’ny 19 oktobra 2023 teo. Nisolontena antsika ny fitantanana ankapobeny ny fampandrosoana maharitra, ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (DGDD), sy ny fitantanana ankapobeny ao […]