Mitohy hatrany ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho tombontsoan’ny besinimaro. Ankehitriny, vita ny 65% ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (central solaire), CS ao Ambanja. Hanana tanjaka 825KWc ny fotodrafitrasa, ampian’ ny milina mpihary herinaratra miisa efatra. Ny roa hanome tanjaka 660KW, ny roa hafa […]
Toe-karena
Nosy Boraha : maherin’ny 25 000 ny mpizahatany tonga
Mahavelombolo ny mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fizahantany ao Ste Marie ny vokatra azo tamin’ity taona ity. Ankehitriny, mihoatra ny isan’ny mpizahatany tamin’ny 2019 ireo mpitsidika tonga any an-toerana. Manomboka mahazo ny ovam-pivoarana (dynamisme) toy ny tamin’ny taona 2019 mialohan’ny krizin’ny Covid-19 ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Nosy Boraha […]
Atsimondrano : azo ambolena vary indroa isan-taona ny lemak’i Fidasiana
Mitohy ny vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), manavao sy manarina ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Nosantarin’ny minisitra Ramilison Harifidy, ny 12 oktobra teo, ny fanombohan’ny asa, hanarenana ny fanajariana ny lemak’i Fidasiana, ao amin’ny distrika Atsimondrano. Mitotaly 800 ha ny lemaka, ka azo atao ny mamboly vary indroa isan-taona. Izany hoe ahazoana voka-bary […]
Hafanana tafahoatra : mirongatra ny afo sy ny setroka
Nitondra fanazavana ny Dr. Salama Jean Claude, talen’ny Fitantanana ny loton’ny rivotra, ny fako, ary ny ambaindain’ny tontolo iainana (DPDIDE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), mikasika ny hafanana tafahoatra sy ny setroka eto amin’ny faritra Analamanga. Nambarany fa maromaro ny antony mahatonga izany, vokatry ny […]
Hitsinjovana ny maitsoahitra : amidy 800Ar ny kapoakan’ ny vary makalioka
Vidiana mora ny kapoakam-bary makalioka sy ny vary nafarana amina fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Paikady entina hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao vanim-potoana hidirana amin’ny maitsoahitra izao. Ho hita eny amin’ny mpivarotra mpaninjara amina fokontany samihafa eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny vary makalioka amin’ny vidiny 800Ar ny kapoaka sy ny vary nafarana 750Ar. […]