Efatra indray mipoaka ! Orinasa voalohany sady tokana misehatra amin’ny fanodinana ny fambolena ara-tsakafo nahazo mari-pamantarana iraisam-pirenena ny Star. Nampahafantarina ny zoma 7 jolay teo ny nahazoany ny FSSC 22 000, ny ISO 9001, ny ISO 14 001 ary ny ISO 45 001. Nanao ny dingana rehetra hanatanterahana ny fenitra ilaina […]
Toe-karena
SERANAn’ehoala: efa nisy sambo 65 niantsona
Fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Rio Tinto ny nanamboarana ny seranan-tsambon’Ehoala any Taolagnaro. Tao anatin’ny tetikasa “Pôle intégré de croissance (Pic)”, na Tendro ifotony hisian’ny fitomboana ara-toekarena. Vita ny taona 2009, entina hivezivezen’ny entana sy ny vokatra ilain’ny faritra sy ny manodidina, sady ho an’ny fizahantany koa. Anisan’izany ny […]
Mari-pankasitrahana B Corp : banky niomerika voalohany ny MVola
Miroborobo ny tolotra ara-bola omen’ny orinasa MVola. Nanamarina izany ny nahazoany loka iraisam-pirenena, entiny hanohizany ny ezaka. Nahazo ny mari-pamantarana iraisam-pirenena B Corp ny orinasa MVola. Izy no mpisehatra amin’ny sehatra ara-bola voalohany nahazo izany eto Madagasikara ary faharoa aty Afrika. Manamarika ny fahamatoran’ny MVola, nanomboka ny niforonany ny taona […]
Taninketsa indostrialy : hamelon’aina ny toekaren’ny faritra Atsinanana
Hanova ny fiainan’ireo mponina ao amin’ny distrikan’i Vatomandry sy Brickaville ny taninketsa indostrialy napetraka any an-toerana. Ny alakamisy teo, nandray ny milina fanamboarana gilasy fitehirizana sakafo ny tao Vatomandry. Mivelona amin’ny jono ny ankamaroan’ny mponina noho ity toerana ity misy ranomasina sy ranomamy. “Mahatratra 3 taonina isan’andro ny gilasy vitan’ity […]
Lalana : hanamboatra tetezana lava indrindra
Nisy filankevitry ny minisitra manokana miompana amin’ny fanamboaran-dalana, natao omaly 7 jolay. Anisan’ny nisongadina ny hanamboarana tetezana lava indrindra eto Madagasikara eo ambonin’ny reniranon’i Mangoky. Hanao ny asa ny orinasa CRBC. Efa madiva hifarana ary hotokanana tsy ho ela ny lalam-pirenena fahasivy (RN 9), mampitohy ny faritra Atsimo Andrefana sy […]