Toe-karena

Fampiroboroboana ny harinkarena faobe: vinavinaina hiakatra 5% amin’ity taona 2025 ity

Manomboka miarina ny harinkarena malagasy amin’izao fotoana. Vinavinaina hiakatra 5% izany ho an’ny taona 2025 raha toa ka 4,4% tamin’ny taona 2024. Anisan’ny firenena nanana tahana harinkarena faobe ambony i Madaga­si­kara tamin’ny taon-dasa raha ampitahana amin’ny sa­lanisan’ny Afrika Subsaha­rienne, izay 3,6%. Ho anisan’ireo sehatra handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena […]

Ezaka manokana: tokantano 5 800 000 hisitraka karinem-pokontany misy QR Code

Ilaina amin’ny fisitrahana jiro ao anatin’ny tetikasa « Hazavana ho anao » ny fananana karinem-pokontany misy QR Code. Ho voazara mialoha ny 26 jona 2025 ny karine. Hanamora amin’ny lafiny sosialy ankapoben’ny mponina ny fampiasana ny karinem-pokontany misy Code QR, toy ny fifindra-monina, ny fakana fanamarinam-ponenana, ny tohana ara-tsosialy samihafa. Anisan’ izany […]

Delestazy: ho vita mandritra ny taona 2025 ny vahaolana

« Mandoro vola isika », hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly teny Iavoloha. No­hazavainy fa, satria lany hanampiana ara-bola ny orinasa Jirama ny volam-panjakana, tokony hampandrosoana ny vahoaka. Vahaolana haingana sady maharitra ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, mitotaly 100 MW fanampiny ho an’ny tambajotra RIA, ka […]

Afaka iray volana sy tapany raha ela indrindra: « Tsy maintsy ahena 750 Ar ny kapoakan’ny vary hafarana »

« Tsy maintsy atao izay hampihena ny vidim-bary ao anatin’ny iray volana sy tapany raha ela indrindra, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny filankevitry ny minisitra, omaly ». Ampidinana hatrany amin’ny 750Ar ny kapoaka ny vary hafarana ka hiara-hiasa amin’ireo mpanafatra ny fitondram-panjakana, araka ny torimarika napetraky ny […]