Toe-karena

Teknolojia vaovao : velarantany 50ha voavoly honko tamin’ny drône

Mitohy hatrany ny hetsika fambolen-kazo manerana ny Nosy. Ny alahady teo, mihoatra ny 500 kg ny masombolina honko voavoly tamina velarantany 50 ha natao, tamin’ny alalan’ny drône, tao Antsogno-Kivalo, kaominina Marofandilia, distrika Morondava. Hahafahana mamboly honko anatin’ny fotoana fohy sy mampitombo ny velarantany hambolena ny fampiasana ny teknolojia vaovao. Manamafy […]

Jica – MTP : tetikasa hikojakojana ny lalana sy ny tetezana

Manohana an’i Madagasikara amin’ny lafiny teknika momba ny fomba fanadihadiana mahakasika ny lalana sy ny tetezana ny fiaraha-miasa japoney Jica. Misy ny vaomiera iombonan’ny roa tonta natsangana. Natao omaly 5 marsa 2024, teto Antanana­rivo, ny fivorian’ny Vao­miera iombonana mpandrindra ny asa (CCC) ao anatin’ny Tetikasa ho fampandrosoana ny fitantanana ny […]

Madagasikara-Torkia: maherin’ny 200 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra

Nahomby ny fiaraha-miasa. Mitentina hatrany amin’ny 202 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra teo amin’i Madagasikara sy Torkia nandritra ny taona 2023, raha toa ka 102 tapitrisa dolara izany ny taona 2022. Manodidina 11,168 tapitrisa dolara teo ireo vokatra malagasy naondrana any an-toerana, ny taona 2020. Mitentina 10,725 tapitrisa do­lara kosa […]

Fampandrosoana: hamatsy vola 88 tapitrisa euros ny AFD

Mitentina 88 000 000 euros ny famatsiam-bola omen’ny Ivontoerana frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) hanatanterahina ireo tetikasa telo lehibe eto Madagasikara. Ao anatin’izany ny tetikasa “PADEVE II” izay sahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany. Hahakasika ny tanàn’ Antsirabe, Fianarantsoa, To­liara, Mahajanga, Antsiranana ary Toamasina. Mitentina 49 000 000 euros kosa ny […]

Fari-piainana: Mahantra ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy

Mampivarahontsana ny tahan’ny fahantrana eto Mada­ga­sikara! Mivelona ambanin’ ny 4 000Ar (0,89 $), isan’olona, ny 24 tapitrisa amin’ny Malagasy, nandritra ny taona 2022, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Izany hoe, mahantra avokoa ny 75% ny Malagasy. Tombana vokatry ny fanadihadiana ny sehatra marolafy nataon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny ivontoerana misahana ny […]