Toe-karena

Fanajariana ny lakandrano C3 : miisa 559 ny tsatoka napetraka eny Anoibe- Namontana

Mitohy ny fanatanterahana ny asa ao anatin’ny Fadaha­ranasa fanajariana sy fanatsarana ny lemak’Antananarivo (Produir), vatsian’ny Banky iraisam- pirenena ara-bola. Voakasik’izany ny fanajariana, ny fanadiovana, ny fanatsarana ny tontolo manodidina ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Anisan’ny asa hatao ny hanadiovana ny lakandrano C3, miainga eny Anosibe hatrany Ambodimita. Nampahafan­ta­rina sady nentanina ny […]

Ady amin’ny kolikoly PAC : manao ranolava ny ben’ ny Tanàna voarohirohy

Nanatanteraka ny fitsarana mitety vohitra ny eo anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC), avy any Anta­nanarivo, ny 24 sy 25 Aogositra teo. Nisy ny fotoam-pitsarana tetsy amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony Toamasina, nifantoka tamina fanodikodinam-bolam-panjakana, hosoka sy fanoratana hosoka, fanararaotam-pahefana, nitsarana ben’ny Tanàna maromaro nandalo fotoam-pitsarana. Ho an’ny kaominina ambanivohitr ‘Antsampanana, […]

Famatsian-drano : misy tsy tomombana ny milina eny Mandroseza

Mihena ny famatsian-drano amin’ny faritra maromaro eto Antananarivo satria simba ny ampahany amin’ny milina eny Mandroseza. Misy ny vahaolana vonjy maika raisin’ny Jirama, mandra-pahasolo ny milina izay tsy maintsy hafarana any ivelany. Misy fahasimbana ny paompy eny amin’ny toby famokarana rano eny Mandroseza. Araka ny fanomezam-baovao avy amin’ ny Jirama, […]

“Mada business Linkage.mg” : mampivoatra ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara

Nampahafantarina sy na­tomboka omaly, tetsy Anko­rondrano, ny tambajotra “Mada business Linkage.mg”. Na­to­kana ho an’ireo orinasa mpandraharaha manara-dalàna rehetra manerana an’i Mada­gasikara. Tanjona ny hampahafantarana ireo orinasa bebe kokoa sy ahafahan’izy ireo mifandray, miara-miasa ary mahita lalam-barotra. “Vitsy ireo orinasa mifankafantatra eto amin’ny Nosy ka antony nananganana ny tambajotra”, hoy ny […]

Toamasina : foara ngeza indrindra ny « Toam Ketrika »

Hotanterahina eto Toamasina, ny 28, 29 ary ny 30 septambra ho avy izao, ny tsenabe “Toam Ketrika”. Foara ara-toekarena sy ara-barotra andiany fahefatra, atao etsy amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, karakarain’ny orinasa La Fabri­que sy ny fikambanana ONG St-Gabriel. Manohana ny hetsika ny orinasa Ambatovy, ny Spat, ny faritra Atsinanana ary ny […]