Toe-karena

MVola-GMW : Fanabeazana ara-bola ho an’ny tanora sy ny ankizy

Nokendren’ny orinasa MVola manokana ny tanora sy ny ankizy mahakasika ny fanabeazana ara-bola, nandritra ny hetsika Herinandron’ny vola na « Global Money Week » (GMW), natao ny 18 hatramin’ny 23 marsa teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny atrikasa ny fikambanana Maison des Enfants Vasakosy sy ny mpianatry ny EPP Sabotsy Namehana. Nampi­anarina tamin’ny […]

Fondation Hiroshi Uchida: Mpianatra miisa dimy nahazo vatsim-pianarana

Natolotry ny Fondation Hiroshi Uchida-Daiho, ny alatsinainy 31 marsa teo, ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra miisa dimy. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity, lasa dimy ny mpisitraka raha 3 teo aloha, sady nampiakarina ho 1 500 000 Ar ny vatsim-pianarana, raha 1 000 000 Ar tamin’ny taon-dasa. Izay mpianatra mendrika no anisan’ny masontsivana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 300 ny mpiasan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, nanao Hetsika tanamaro (Himo), omaly. Nisy ny fanadiovana nanomboka teny Antaninarenina hatrany Tsaralalana. Hetsika nanatsarana ny endriny ny tanàna sady handraisana ireo vahiny hiatrika ny fivoriamben’ny COI eto Antananarivo. Hatao ny 21 na 22 avrily ho avy izao ny hetsika fanindroany. Higadona androany […]

CNM: Hanatsara ny fomba fiasan’ny mpiasa

Tanterahina mandritra ny telo andro, eny Anosy, ny Herinandron’ny Vaomieram-pirenena momba ny tsenambaro-panjakana (CNM). Fo­toana hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CNM sy ny fitantanana ary ny fomba fiasa ao. Hisy ny fampiofanana ireo mpiasa izay hiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary koa ny fanofanana ireo mpikambana vaovao eo […]

Fihaonana: Mpianatra miisa 300 namboly zana-kazo

Miisa 3 000 ireo zana-kazo novolen’ny Orange Mada­gascar sy ireo mpinatra 300 isa avy ao amin’ny CEG Fiha­onana, ny zoma teo. Hetsika hiadina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ho fanabeazana ara-tontolo iainana ny mpianatra. Tanjona ny hampahafantarana ireo mpianatra ny lokanadin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy hampirisihina azy sahady hanaja ny tontolo iainana. Niray […]