Toe-karena

COMFWB Trade Fair : hanasongadina ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola maitso

Fanamby ny hampiroborobo ny fampiasam-bola maitso, ao anatina rojom-pihariana samihafa, hampivoarana ny fandraharahan’ny vehivavy aty Afrika, mandritra ny hetsika COMFWB Trade Fair andiany fahadimy, hatao eto Antananarivo. Hotontosaina eto Antana­na­rivo, ny 14 sy 15 jona izao, ny hetsika “COMESA Federation of Women in Busi­ness (COMFWB) Trade Fair” andiany fahadimy, izay […]

Ambatofinandrahana: Olona iray tratra nangalatra vy

Miisa dimy ny olona voarohirohy tamin’ny halatra vy tao Ambatofinandrahana, faritra Amorin’i Mania, tamin’ny volana febroary teo. Nitoby tao amin’ny toeran’ny fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) any an-toerana, ireo vy ireo, izay tokony hampiasaina amin’ ny fandrafetana tetezana. Na­metraka fitoriana tany amin’ny zandarimaria Ambatofindran­drahana ny DRTP, ny 22 fe­broary, ary […]

Aretin’omby « boroka »: maherin’ny 100 tapitrisa Ar isan-taona ny fatiantoka any Ihorombe

Araka ny antontanisa voarain’ny veterinera na ireo dokotera mpitsabo biby, maherin’ny 100 ny reniomby matin’ny aretina « boroka » isan-taona any Ihorombe. Napetraka ny paikady hizarana fanafody sy vitamina ny reniomby hamahana ny olana. Voambolana fampiasa any amin’ny foko bara ny aretin’ omby « boroka », ilazana ny omby mahia sy sahozanina. Vokatry ny […]

« Viavy film festival »: Indostrian’ny sarimihetsika

Hatao ny 15 sy ny 16 marsa ho avy izao ny hetsika « Viavy film festival » eny amin’ny Canal Olympia Andoha­tapenaka. Manohana azy mivantana ny Canal Plus Ma­dagasikara, orinasa misehatra amin’ny fanapariahana ny fandaharana avoakan’ny televiziona eto an-toerana sy avy any ivelany. Nambaran’Andriamintantsoa Koloina, tale sady mpiara-mitantana ny « Viavy film festival » […]