Toe-karena

Taninketsa indostrialy: hanodina voatabia 1t isan’ora ilay milina ao Ambatondrazaka

Hamokatra voatabia voahodina hatrany amin’ny 1t ary hipaka mivantana amin’ny tantsaha mpamokatra ny tombontsoa azo avy amin’ny fametrahana ny milina mpanodina voatabia ao Ambatondrazaka. Toerana anisan’ ny mamokatra voatabia ny distri­kan’Amba­tondrazaka. Tafakatra 16 500 t isan-taona ny vokatra ao an-toerana. Tonga nanolotra milina mpanodim-bokatra ny filoham-pirenena ny sabotsy teo Ambalabako […]

Ranomasimbe Indianina: fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina

Atao eto Madagasikara, omaly 11 sy anio 12 septambra, ny fivoriana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny ra­nomasimbe Indianina. Fo­toana entina hankatoavana ny fitantanana manontolo ny morontsiraka (GIZC). Man­dray anjara amin’ity fivoriana ity i Tanzania, Afrika Atsimo, Mozambika, Somalia, Kenya, Kaomoro, Frantsa (La Réu­nion), Maorisy, Seychelles, Madagasikara ary ny […]

Fahavitan-tena ara-tsakafo: hojerena ny paikady laharam-pahamehana

Dinihina ny paikady vaovao hanatsarana ny lafiny ara-tsakafo eto amintsika sy maneran-tany. Karohina ny laharam-pahamehana ho tanterahin’ny mpisehatra voakasika avy. Nanome toromarika ny Rafitry ny Firenena mikambana ara-tsakafo (SNUA), ny taona 2021, fa mila mamorona paikady sy rafitra vaovao mikasika ny sakafo maneran-tany. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa fakan-kevitra […]

Tohan’ny orinasa Star : nahazo rano fisotro ny fokontany Ankidondona Ambatolampy

Notokanana ny 6 septambra teo ny siniben-drano sy ny paompy miisa enina ho an’ny fokontany Ankidondona II Ambatolampy, toerana ahitana ny ozinina lehibe indrindra an’ny orinasa Star. Nitarika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Marc Pozmentier, notronin’ny manam-pahefana maro any an-toerana. Nambaran’ny ben’ny Ta­nàna Ambatolampy fa 30 tao­na tsy nanana […]

Canal + Madagasikara : tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa

Manome tolotra vaovao ny orinasa misehatra amin’ny fandaharana televiziona Canal+ Madagasikara amin’izao fotoana favitan’ny fialantsasatra izao. Nilaza ny tale jeneraly, Rtoa Razafindrakoto Onjatiana, fa hisy ny tolotra maromaro, manomboka anio 11 septambra, karazana televiziona sy sokajim-pandaharana sahaza ny tsirairay, ho an’ny fianakaviana, ny ankizy, ny tanora, sns. Eo koa ny […]