Toe-karena

Kaominina Toliara: Hiteraka asa maro ho an’ny rehetra ny Base

Fanapahan-kevitra lehibe avy any amin’ny fanjakana foibe ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara. Anisan’ny hisitraka ny tombontsoa haterany ny kaominina an-dRenivohitra Toliara. Nanamafy ny ben’ny Tanàna Toliara (CUT), Dédé Vita Sidison, fa anisan’ireo kaominina miisa dimy hanokafana indray ny Base Toliara ny ao Toliara an-tampon-tanàna. Azony antoka fa hisitraka […]

Fitaterana: Hisy tetikasa hametrahana lalamby vaovao

Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ny hampiroborobo ny sehatry ny fitaterana. Hisy, araka izany, ny tetikasa hanaovana lalamby vaovao ho an’ny taona 2025. Tanjona ny hampanjary ny toekarena amin’ny alalan’ny fampivoarana ny sehatry ny fitaterana an-dalamby. Ny herinandro teo, nihaona ta­min’ireo tomponandraikitry ny sampandraharaha misahana ny fitaterana […]

Vanim-potoan’ny fety: Arahi-maso ny vidin’entana sy ny kalitaony

Hentitra amin’ny fanaraha-maso ny tsena ny avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Tanjona ny hiarovana ny mpanjifa ma­noloana ny mety ho fanararaotana amin’ny endriny samihafa. Miparitaka manerana ny Nosy ireo mpanara-maso ka jerena akaiky ny entana amidy mba ho entana tsara kalitao. […]

Tetikasa Purpa: Nanohana mpamo­katra maherin’ny 115 900

Maherin’ny 115 900 ireo mpamokatra manerana ny faritra 20 nisitraka tohana avy amin’ny « Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire à Madagascar » (Purpa) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hatramin’ny nisiany teto Madagasikara, ny taona 2022. Nanamafy ny rafi-pambolena tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny famokarana masomboly sy ho fampiroboroboana ny famokarana sakafo eto […]

Tao anatin’ny 12 volana : Tsy nitsaha-niakatra ny vidim-bary

Tsy mitsahatra mitombo sady tsy marin-toerana ny vidim-bary nandritra ny herintaona. Nahitana elanelana hatramin’ny 1000Ar isaky ny kilao ny vidiny eo amin’ny tsena anatiny. Mitombo hatrany ny vi­dim-bary eny an-tsena amin’izao fotoana, raha nanomboka tany amin’ny 2 400Ar ny kilao ny volana janoary. Ankehitriny, tafakatra hatrany amin’ny 4 000Ar ny […]