Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) ho an’ny taona 2025. Mifanojo indrindra amin’ny vinam-pirenena sy fanarenana ireo fotodrafitrasa samihafa mandrafitra ireo fandaharanasa ao anatiny. « Hita taratra ao anatin’ny PLFI ny hanaovana laharam-pahamehana ny olan’ny Jirama », hoy ny solombavambahoaka […]
Toe-karena
Famokarana trondro: 307 000 taonina ny filana isan-taona
Mbola ambany ny taham-pamokarana trondro eto amintsika. Ny taona 2023, manodidina ny 30 000 taonina ny vokatra azo raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 307 000 taonina ny filana isan-taona. « Manana tombony amin’ny famokarana trondro i Madagasikara amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa misy eto amin’ny firenena », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena […]
Indostria: miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena
Mandray anjara 17% amin’ny harinkarena faobe eto Madagasikara ny sehatry ny indostria sy ny fandraharahana. Tanjona ny hampakarana izany hatrany amin’ny 30% noho izy antoky ny fampandrosoana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’ny vinam-pirenena ny hampiroborobo ny indostria sy ny fandraharahana. « Ampirisihina ny tanora handraharaha, ny indostria ihany koa no hahafahantsika […]
VAOVAO TAMBATRA
Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN 6, fivilian-dalana any amin’ny tetezana Ifasy, PK 537+329, nanomboka omaly hariva. Tapaka mantsy ny lalana, taorian’ny orambe ny alahady teo. Mitohy ny asa fanamboaran’ny orinasa Colas, ary misy ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny […]
Fanabeazana ara-bola: ampirisihina hampiasa vola ny olona
Niompana tamin’ny fanabeazana ara-bola ny fivoriamben’ny mpikambana ao amin’ny sampana ara-bola madinika na mikraofinansa Smmec, ny sabotsy teo. Niompana tamin’ny fanomezana azy ireo hahay hitantana ny volany araka ny tokony ho izy ny fiofanana, naharitra adiny iray sy sasany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihana azy ireo hitahiry sy hampiasa vola. […]




