Toe-karena

Fampananana asa : Vitsy ny orinasa mandray olona manana fahasembanana

Mbola ambany ny tahan’ny olona manana fahasembanana tafiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy miasa amina orinasa eto Madagasikara. Sakana mahatonga izany ny toe-tsain’ny fiarahamonina manilika ireo olona sembana ka manakana azy hiaina toy ny olon-drehetra. Eo koa ny olana amin’ny fandresen-dahatra ny mpampiasa hanehoana fa mahavita ny asa ilay […]

« Salon TT Warsaw » : Nisongadina tany Varsovia i Madagasikara

Voafidy tao anatin’ny sokajy « tsara kalitao sy zava-baovao » i Madagasikara, nandritra ny hetsika ara-pizahantany iraisam-pirenena, « Salon TT Warsaw 2024 ». Nifarana ny 1 desambra teo ny hetsika, natao tany Varsovia, renivohitr’i Pologne, andiany faha-30. Anisan’ny singa nahazoana an’io fankasitrahana io ny ezak’i Madagasikara hisarihana ny mpizahatany ho avy aty Madagasikara, nataon’ny […]

Fampandrosoana : Tafatsangana ny vovonana PIE

Misokatra ho an’ny rehetra ny vovonana ho an’ny fampiasam-bola amin’ny angovo na « Plateforme des investissements en énergie » (PIE). Hamaly mivantana ny politikan’ny angovo eto Madagasikara izany. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD), izay mikendry manokana ny fisitrahan’ny rehetra ny angovo azo antoka sy maharitra ary amin’ny vidiny mirary, ity vovonana […]

Tetikasa Purpa : Niakatra ho 4t/ha ny voka-bary

Anisan’ny nahafahana nampiakatra ny voka-bary ny tetikasa Purpa. Manampy ny vary, tohana ifantohany koa ny seha-pihariana famokarana varimbazaha, menaka fihinana, sns. Nanomboka, ny taona 2022, ny tetikasa Pu­rpa*, eo ambany fiahi­an’ny minisiteran’ny Fambol­ena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Banky afrikanina ara-bola. Anisan’ny tanjony ny hanohanana ireo foibe mpikaroka sy mpamokatra […]

Fikirakirana vola niomerika: Miara-miasa ny Airtel money sy ny sekoly Emit

Mitohy sy nohamafisina ny fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel money sy ny sqekoly ambony mahakasika ny fitantanana sy ny fikarohana teknolojia, Emit Fianarantsoa. Anisan’ ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana ny fahafahan’ny mpi­anatra mampiasa ny vola niomerika, toy ny fandoavana ny saram-pianarana amin’ny Airtel money. Tsotra, haingana sady azo antoka. Tafiditra ao anatin’ny […]