Tsy maintsy mivory isan-kerinandro miaraka amin’ny filoha Rajoelina ireo tomponandraikitry ny rano sy ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena, ohatra. Hentitra ny nanambarany izany, omaly, teny Mandroseza, mba hanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny famahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. Mamotika ny fihariana madinika ny delestazy. Voatery ajanona […]
Toe-karena
Zavamananaina aty Afrika : nihena ho 76% tao anatin’ny 50 taona
Tandindimon-doza ireo karazan-javamananaina aty Afrika vokatry ny fahasimban’ ny toeram-ponenany. Mihoa-pampana ny fitrandrahana ataon’ny olombelona, ny fandotoana ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vokany, nihena 76% ny salan’i san’ny biby aty Afrika nanomboka ny taona 1970, araka ny tarehimarika navoakan’ny “Rapport Planète Vivante 2024”. Voalaza fa nihena 85% ny habetsaky ny […]
Saran-dalana aloa amin’ny finday: misantatra ny andrana ny taksibe amin’ny zotra 147 D
Maro ny tsy fanajan’ny mpitatitra eto an-dRenivohitra ny mpandeha sy ny bokin’andraikitra. Anisan’ny vahaolana ny fampiasana ny teknolojia niomerika, toy ny fandoavana ny saran-dalana amin’ny finday. Miroso tsikelikely amin’ ny fampanaraham-penitra ny fandrindrana ny fitaterana taksibe. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny orinasa Carte Passe Partout (CPP) System Madagasikara sy ny […]
Fanasan-tanana : nanentana ny kamboty ny vondrona kameroney
Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana ny 15 oktobra. Nitsidika sady nanentana ny ankizy tezaina ao amin’ny foibe fitaizana ny zaza kamboty Felana Maitso eto Antananarivo, ny alatsinainy teo, ny vondron’ny teratany kameroney eto Madagasikara, nanamarihana izany. Nohazavaina tamin’ny ankizy ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana sy ny fomba fanaovana azy. […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 50 taonina ny lohamenaka Ylang Ylang naondran’i Madagasikara ny taona 2023. Mbola ambanin’ny 125 taonina izay naondrana ny taona 2019 sy ireo 600 taonina naondrana tany aloha izany. Niantraika betsaka teo amin’ny seha-pihariana ny krizin’ny Covid-19 sy ny lalàna vaovao momba ny tontolo iainana. Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy […]




