Hovitaina amin’ity herinandro ity ny lalana eny Ampasika, eo amin’ny fihodinana (rond –point), mankany Itaosy. Efa natao omaly alina, ny eo amin’ny hotely Etoile rouge, mialoha ny hikisahana eo amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. Manatanteraka ny asa ny orianasa Magic. Tsiahivina fa efa natao ny eny Bel’air, Ankorondrano Ivandry, Ambodin’Isotry, sns. Manodidina […]
Toe-karena
Ambohimanambola : ho vita mialoha ny maintany 2025 ny toby 105 MW
Tafiditra ao anatin’ny vahaolana hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra ny fananganana toby mpamokatra fanampiny eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105 MW. Nijery ifotony ny fizotry ny asa fananganana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny 11 oktobra teo. Tokony ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny asa, […]
Olan’ny rano : tafatsangana ny rafitra mpanara-maso
Taorian’ny fanambaran’ny filoham- pirenena, Rajoelina Andry, nijoro ny 9 oktobra teo ny rafitra manokana Vondrona fibaikona sy fanaraha-maso, hamaha ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao. Hita ao anatiny ny avy amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana (MEAH), ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy […]
Ankarafantsika : novatsiana fitaovana miaro amin’ny afo ny mpisafo ala
Anisan’ny tena marefo amin’ny doro ala ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nohamafisina ny fiarovana amin’ny afo sady nampitaovana ny mpisafo ala. Toerana saro-pady amin’ny afo ny any Mahajanga, toy ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ho an’ny mpisafo ala ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, i Max Andonirina […]
Fisolokiana amin’ny resaka tany : naiditra am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny boriborintany iray
Endrika fisolokiana amin’ny resaka tany hafa indray ny teny amin’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano. Voarohirohy amin’izany ny lehiben’ny boriborintany iray. Nahazo fitarainana ny Birao miady amin’ny kolikoly (Bianco) fa misy ny fiahiahiana kolikoly, fanamparam-pahefana, hosoka mifandray amin’ny fanaovana taratasim-pandovana hosoka, nataon’ny mpiasan’ny boriborintany ao amin’ny distrika Avaradrano. Nangataka didim-pitsarana hizakana fananantany […]




