Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana […]
Toe-karena
Ankadimbahoaka sy By-pass : mbola tapaka ny lalana
Mbola tapaka ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy ny rond-point By pass, raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa mbola mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana no anton’izany. Marihina fa efa eo am-pamaranana ny asa ny orinasa ankehitriny. Hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana […]
Fivoriana momba ny lavanila: hisokatra amin’ny mpandraharaha hafa ny minisitera
Nampivory ireo mpandraharaha ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV), omaly. Katsahina ny vahaolana maharitra hiatrehana ny olana.Fividianana izany any amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny amin’ny varotra iraisam-pirenena. Resaka nifanaovana tamin’ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard. Gazety Taratra(*) : Inona marina ny antony fihaonana anio, tsy efa vita tany Sambava ve […]
Tetikasa LEAD : kamiao 50 ho an’ny Jirama
Mamatsy vola ny tetikasa Least-cost electricity acces development (LEAD) tanterahin’ny Jirama ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanatsarana sy ny fanitarana ny herinaratra amin’ny vidiny mora. Eo koa ny fampidiran-jiro amin’ny vidiny mora (branchement mora), sy ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana CSB manerana ny Nosy. Hanatanterahana ireo, nisy ny fampitaovana […]
Fambolen-kazo: nanatsatoka zanakazo 6.500 isa ny antoko Maitso
Nanatanteraka ny fambolen-kazony ho an’ny taona 2023 ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, ny sabotsy teo, teny amin’ny fokontany Tsararay, kaominina Fieferana, distrika Avaradrano. Miisa 6.500 ny zanakazo nambolena tamin’ny velaran-tany 25 ha, nahitana acacia, aviavy, filao, ravintsara ary hazo fihinamboa. Nanodidina ny 600 ny mpikambana nandray anjara, notarihin’ny filoha nasionaly […]