Tontosa omaly ny hady fototry ny sekoly ambaratonga voalohany (EPP) etsy Andohalafy, kaominina Ankadimanga, distrikan’Atsimondrano. Hisitraka izany ireo zaza malagasy miisa 100, mandranto fianarana eny an-toerana. Nahafahana nanao izany ny famatsiam-bola avy amin’ny fikambanana mijery ny zaza sahirana, ABED Madagascar. Tsy ampy ny efitra hianaran’ny ankizy eny an-toerana, efa simba […]
Toe-karena
Nandritra ny taona 2023 : nampidi-bola 534 084 248 euros ny fizahantany
Tsara ny vokatry ny fizahantany nandritra ny taona 2023. Mitentina hatrany amin’ny 534 084 248 euros ny vola vahiny azo tamin’izany. Izany hoe, efa ho avo roa heny ny tamin’ny taon-dasa izay, 351 577 003 euros. Mitotaly 259 850 ihany koa ny mpizahantany tonga teto amintsika nandritra ny taona 2023. Nitombo hatrany […]
Sakafo biolojika : omen-danja any Alemaina ny vehivavy
Atao any Nuremberg, Alemaina, ny 13 hatramin’ny 16 febroary izao, ny hetsika iraisam- pirenena mikasika ny fambolena sy ny sakafo biolojika Biofach. Mandray anjara amin’izany koa i Madagasikara. Lohahevitra noraisina tamin’ity andiany taona 2024 ity ny hoe : « Sakafo ho an’ny ho avy : fiantraikan’ny rafitra ara-tsakafo maharitra amin’ny vehivavy ». Nasongadin’ny […]
Fandraharahana : hatao amin’ity taona ity ny IHM andiany voalohany
Hotanterahina ny 20 ka hatramin’ny 23 jona izao ny Tsena iraisam-pirenena momba ny asa tanana eto Madagasikara, “International Handicraft Fair Madagascar (IHM)” andiany voalohany, hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, omaly, teny Tsimbazaza. Hitovy amin’ny hetsika amin’ ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) ny IHM, […]
Lalan-dratsy : niverina ny fifamoivoizana amin’ny RN5
Tapaka omaly 13 febroary maraina, ny lalam-pirenena RN5, PK 97+900, mialoha ny hidirana ny tanànan’Antanambao Sahorana, distrika Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo. Nisy lavakabe niforona teo amin’ny lalana, vokatry ny rotsakorana nisesy. Nandray fepetra avy hatrany ny Fitantanana manohana ny asa vonjy taitra (DAU) ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) ka […]




