Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny Fandaharanasa enti-mampandroso ny isam-paritra (PIR). Anisan’ny sehatra voakasik’izany ny fikarohana lalam-barotra iraisam-pirenena sy ny fampiasam-bola maharitra. Tafiditra ao anatin’ny PIR ny Fandaharanasa tantsoroka hampandrosoana ny fanondranana entana ho an’ny faritra (Padeir). An’arivony ny Malagasy mpamokatra misitraka azy, ahafahan’ny vokatra eto an-toerana afaka mifaninana. Eo koa […]
Toe-karena
Ankazobe : nahazo tohodrano Ambolotarakely
Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny famokarana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavaozina, nataon’ny Fandaranasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Nilaza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitombo isa ireo fiarabe mpitatitra sy mpamatsy rano eto Antananarivo. Mbola misy ihany koa ireo andalam-panamboarana. Hojerena akaiky avokoa ireo toerana mila vonjy. Hatsaraina ny fifandraisana amin’ ny vahoaka eny ifotony hampahomby ny ezaka atao, manoloana ny olan’ny famatsiana rano. Vahaolana fohy ezaka ity atao ity saingy mangataka ny fitohizan’ny […]
mpandraharaha: tantsoroka ny fidirana anaty rafitra
Maro ny tombontsoa azo amin’ny fidiran’ny mpandraharaha anaty rafitra na fikambanana hanatsarany ny lalam-pihariana. Misy ny tohana sy tantsoroka omen’izy ireny hampiroboroboana ny fandraharahana. « Hanampy azy hamantarany ny lalàna mifehy ny fandraharahana ny rafitra. Hanatsara ihany koa ny vokatra ataony sy ny lalambarotra azo handefasana entana », hoy ny Sekretera […]
Andekaleka : tsy ampy ny rano, gropy roa sisa no afaka mihodina
Mibaribary ny tsy fahampian’ ny herinaratra vokarina any amin’ny tohodrano Andekaleka. Miantraika mivantana amin’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo izany. Avy amin’ny reniranon’ Ivohitry, miainga any Andasibe sy ny reniranon’i Fierenana avy any Ambatondrazaka ny rano mamatsy ny tohodranon’Andekaleka. Miisa 4 ny gropy mamokatra herinaratra, saingy 2 ihany sisa no ampiasaina […]




