Toe-karena

Loka Castel : orinasa 6 nankasitrahana

Nampahafantarina omaly, ireo orinasa 6 tantanin’ny tanora, men­drika tamin’ny fifaninanana “Loka Castel 2024”. Nanatrika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Matthieu Seguin. Tanjona ny hanohanana ny fandraharahana isaky ny firenena, ka misy ny tohana ara-bola sy fanofanana, hanamafisana ny fahaiza-mitantan’ireo tanora mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Mada­gasikara. […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka hifarana ny alahady izao ny « foire des produits halieutiques » andiany fahefatra, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Hisongadina mandritra ireo fotoana ireo ny karazana hazandrano sy ny famokarana eto amintsika. Kitro ifaharan’ny fampiroboroboana ny toekarena rahateo ny jono. Mikasa ny hamita ny lalàna vaovao momba ny fizahantany sy […]

Zéro karbona : Ezaka ho fitaratra i Madagasikara

Fanamby apetrak’i Mada­ga­sikara ny hanafoanana ny fisian’ny entona karbona, entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasik’izany koa ny ankizy. Nandray anjara tamin’ny fivoriana avo lenta mahakasika ny lohahevitra “net zéro carbone”, ao anatin’ny fivoriambe iraisam-pirenena ny Firenena mikambana andiany faha-79, any New York, ny minisitry ny Rahara­hambahiny, Rafaravavitafika Rasata, sy ny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : natsangana ny fandaharanasa Global Shield against Climate Risks

Hitondra vahaolana ho fanampiana sy fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny Global Shield. Nisy ny atrikasa nandritra ny roa andro nametrahana ireo tanjona apetraka. Tapitra omaly, ny atrikasa fampahafantarana ny fan­daharanasa «Global Shield against Climate Risks», fiaraha-miasa iraisam-pirenena ahitana ireo firenena mandroso mivondrona ao anatin’ny G7 sy […]