Toe-karena

Hazandrano : 150 000 taonina ny vokatra eto amintsika

Manodidina ny 150 000 taonina ny famokarana trondro eto Madagasikara. « Vo­ka­tra azo avy eny an-dranomasina sy an-dranomamy ary ny fiompiana izany », hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado, nandritra ny fanokafana ny Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra, omaly, teny amin’ny Kian­ja Barea Mahamasina. Imasoana, hoy izy, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Milanja 125 300 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona, izany hoe, nihena mihoatra ny 50% raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay nahatratra hatrany amin’ny 269 600. Mitentina 316,4 miliara Ar ny totalimbidin’ireo fanafarana, raha tafakatra hatrany amin’ny 511,4 miliara izany tamin’ny taon-dasa. Tombanan’ny FAO fa mila manafatra […]

Sandam-bola : tafakatra 5 000 Ar ny euro

Mitotongana ny vola malagasy, nisanda 5 000,32 Ar ny euro iray, araka ny tarehimarika tao amin’ny tranokalan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Niainga 4 988,00 Ar izany omaly tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra 5 000,32Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimariky ny BFM. Tao anatin’ny iray volana, nanafosafo […]

Olan’ny famatsiana herinaratra sy rano: hitondra vahaolana maharitra ny Jirama

Nitondra fanazavana mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny Jirama sy ireo minisitera voakasik’izany, omaly. Nivoitra tao anatin’izay ireo vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny zava-misy amin’izao. «Hafainganina ny fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro 50 Mégawatts, manoloana ny olan’ny famatsiana […]

Angovo azo havaozina : hitombo ny famokarana eny amin’ny distrika

Hanomboka tsy ho ela ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (parcs solaires) izay hamokatra angovo 50 MW. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ireo fandaniana rehetra momba ny ”dédouanement” sy ny hofan’ny toerana nitahirizana ireo fitaovana alohan’ny hanapariahana izany any amin’ny distrika hametrahana […]