Toe-karena

Banky foibe (BCM): tsy mbola nodiovina ireo volamena

Misy ny fikasan’ny fanjakana, ny volana aogositra 2022, fa hodiovina any ivelany ireo tahirim-bolamena ao amin’Banky foiben’i Mada­gasikara, mba havadika ha­nana lanja ara-bola eo amin’ny tsena irasaim-pirenena. Tsy tanteraka, araka izany, ilay filazana fa naondrana any Soisa ireo tahirim-bolamena ireo. Nanome fanazavana ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BCM), Andrianarivelo Aivo. […]

Manome ohatra ny AJE: azo atao tsara ny manamaitso an’i Madagasikara

Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny Fikambanan’ ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny sabotsy 11 marsa teo, teny amin’ny sahan’ny Saf-FJKM eny Soavina Ambanitsena. Miisa 250 ny zanakazo nambolena, nahitana «accacia», «frêne», «jacarandas» ary kafe. Nosa­fidiana ireo karazana zavamaniry ireo satria haingam-pitombo. Mpiara-miombon’antoka nanohana ny AJE tamin’ity fotoana ity […]

Toeram-pitrandrahana any Ranobe: azo antoka ny fanadihadiana nataon’ny INSTN

Manome fanazavana ny daholobe, indrindra ny mponina any ifotony ny tale jeneralin’ny Ivontoerana nasionaly mikasika ny siansa sy ny teknika nokleary (INSTN), ny profesora Rajaobelison Joël, momba ny tetikasa Base Toliara. Nohamafisiny ny maha mitombina sy ny fahazoa-mino ny vokatry ny fanadihadiana, lazaina amin’ny lafiny teknika hoe tsy « état zéro » […]

Fampiasam-bola : nodinihana hatramin’ny 2019 ny volavolan-dalàna

Manome antoka ny mpa­mpiasa vola ny nandraisan’ny Filankevitry ny ministra ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Mada­gasikara. Nifampidinihana hatramin’ny taona 2019 niaraka tamin’ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina rehetra, ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola, ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoro­penina. Tapaka teo anivon’ny Vao­miera CRDA […]