Toe-karena

Atsimo andrefana : tsy mahakasika ny ala Mikea ny Base Toliara

Any amin’ny maherin’ny 100 km avaratr’i Toliara sy 80 km ny alan’i Ranobe no misy mponina, ny foko Mi­kea. Malagasy mbola miaina ny fotoana fahagola izy ireo, mivelona amin’ny haza sy ny remby. Anisan’ny mahavita miaina tsy misy rano. Manan-karena ara-kolontsaina, saingy tandindomin-doza ny faritra onenany, ankehitriny, vokatry ny fitrandrahana […]

Fandraharahana : manolotra « Packs Orinasa sy Orinasa+ » ny BNI

Tsy afa-miala amin’ny sehatry ny fizahantany ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola. Antony nahatonga ny BNI Madagascar manao ny tolotra “Packs orinasa sy orinasa +” ho an’ireo mpandraharaha. Tolotra fampindramam-bola tsotra sy manamora ny fanatanterahana tetikasa. Misy ihany koa ny tolotra KRED izay hanomezana torolalana sy torohevitra amin’ny famatsiam-bola ny tetika­san’ireo […]

Jirama : niverina ny delestazy maharitra

Taitra indray ny mpanjifa, nanomboka ny alin’ny alarobia sy ny marainan’ny omaly alakamisy, niverina tapaka naharitra ny herinaratra. Araka ny hita tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny Jirama ao anatin’ny tambajotra ofisialy, « tara ny fahatongavan’ny fiarabe mpitatitra solika avy any Toamasina, satria nisy lozam-pifamoivoizana tany Mandraka, ka nisy fahatapahana ny lalam-pirenena faharoa […]

“Cacao fin” : manana ny kalitao tsara isika

Naharitra roa andro ary nifarana afakomaly, teny amin’ ny Radisson Ambodi­vona, ny fivoriana “Panel adhoc cacao fin”. Fihaonana an-tampony niarahan’ireo manampahaizana 20 avy amin’ny firenena maneran-tany mamokatra cacao, nijerena ny kalitao tsara indrindra sy ny vokatra aondrana manerana an’izao tontolo izao. Nilaza ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny varotra sy ny […]

Salon ITM : mampiakatra 15% ny harinkarena faobe ny fizahantany

Fototra iorenan’ny fampandrosoana sy mampiroborobo ny toekarena ny fizahantany noho izy mampidi-bola. Tafiditra amin’izany ny “Salon International tourism fair Madagascar”, atao eny amin’ny CCI Ivato. Mitondra anjara biriky amin’ny fivelaran’ny fizahantany sy ny hoaviny ny hetsika “Inter­national tourism fair Mada­gascar” (ITM) andiany fahasivy. Fotoan-dehibe mampivondrona ireo mpisehatra maro na eto […]