Toe-karena

Fampiroboroboana ny indostria : miara-miasa ny SIM sy ny fanjakana

Vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria ny Sendi­kan’ny indostria eto Madaga­sikara (SIM). Nifampidinika ny lalan-tsaina hampandrosoana ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana (Mic), Ralambofiringa David, sy ny filohan’ny SIM, Rasamimanana Tiana, nandritra ny fihaonany tetsy Ambohidahy, […]

VAOVAO TAMBATRA

Hopotehina avokoa ireo vary stock 161 gony sy vary gasy 40 gony simba, taorian’ny fahavakisan’ ilay sambo nitondra azy. Vaky teo anelanelan’i Foul­pointe sy Mahambo, tamin’ny herinandro, iofitaovam-pitaterana io saingy niezaka ka tody soamantsara teny amorontsirak’i Mahambo ihany. Betsaka ireo entana nariana, teo koa ireo simba. Nanaiky ny hamotehana ireo […]

Haintany : may ny alan’Angavokely

Nirehitra efa nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ny Tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Na­fana ny andro, nitsoaka ny rivotra, ka sarotra ny namonoana azy. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, niisa 27 ny lohan’afo hita, ary tombanana fa mety niniana natao. Nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ny Ala […]

Incubateur d’énergie durable (IED) : tohana ho an’ny angovo maharitra

Tanora mpikaroka sy mpandraharaha miisa 15 no nitady ny fomba hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hisitraka izany ny tokantrano maro. Anisan’ireo fanamby lehibe eto Madagasikara ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy ny fahafahan’ny tokantrano hisitraka izany. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano, ireo tetikasa 15 voafantina […]

VAOVAO TAMBATRA

Feno 38 taona ny Fiavama, Fikambanan’ny injenieran’ny Asa vaventy malagasy. Nosokafana ta­min’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Ininfra Alarobia, ny atrikasa fankalazana ny taon-jobily niorenany. Lohahevitra noraisina ny hoe «Fanavaozana ny faharetana amin’ny Asa vaventy, mamaly ny fivoaran’i Madagasikara». Eo am-pandinihana ny hananganana orinasa hamokatra sy hanodina indray ny bateria […]