Faharoa i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ahitana ala honko (mangroves) midadasika indrindra, izay mahatratra 277.567 ha. « Ilàna paikady maharitra ny fiarovana azy, indrindra any amin’ny faritra Menabe sy Diana », araka ny tatitry ny WWF. Miha rava anefa ny ala honko any amin’ny morontsiraka andrefana. Karazan-kazo sady afaka mitroka rivotra […]
Toe-karena
Fiakaran’ny hafanàna : ny ataon’ny olombelona ihany
Tsy mety tapitra ny andro ratsy, indrindra ny rivodoza mateti-pihavy isan-taona, ohatra, Batsirai, Cheneso, Freddy. Misy fiantraikany ratsy maro amin’ny morontsiraka izany. Anisan’ny fahavoazana mitohy lavareny ny haintany any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tsy ampy ny orana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Haintany maharitra ela indrindra tao anatin’ny 40 taona, nanomboka […]
Fambolena sy angovo : tetikasa ho fiarovana ny ala
Maro ny ala voajanahary very eto Madagasikara hatramin’ny taona 70. Vetivety anefa ny faharavany amin’ny faritra rehetra. « Koa iray amin’ny tanjona apetraka ny hamaritana izay laharaham-pahamehana sy fiarovana ny ala voajanahary », araka ny tetikasa BioSceneMada (Biodiversity scénarios under the effect of climate change and future deforestation in Madagascar). Tetikasa hahafahan’ny […]
Ala eto Madagasikara : misy 95 % ny biby mandady, 89 % ny zavamaniry maneran-tany
Manana karazam-biby sy zava-maniry maro mampiavaka azy i Madagasikara . Manodidina ny 95 % amin’ireo biby mandady, 89 % amin’ny zavamaniry maneran-tany dia tsy hita afa-tsy eto amintsika, hoy ny WWF. Miha simba anefa ny tontolo ahitana azy ireo. Miavaka i Madagasikara raha ny harena sy zava-mananaina anaty ala. Manana […]
Ambilobe : hamokatra siramamy 63.000t
Hahatratra 63.000t ny siramamy hovokarin’ny orinasa Sucoma Ambilobe amin’ity taona ity. Nisokatra nanomboka ny zoma 2 jona teo ny taom-pamokarana ao amin’ity orinasa ity. Nanomboka ny 5 jona teo kosa, nivarotra izany any amin’ireo mpamongady manerana ny Nosy ny Sucoma. Mamaha ny antsasa-manilan’ny filan’ny mponina ity famokarana ity ary vidiana […]