Toe-karena

VAOVAO TAMBATRA

Misongadina i Madagasikara mandritra ny hetsika “International French Travel Market (IFTM)”, atao any Paris, ny 17-19 septambra. Nampahafantarina ireo tolotra momba ny fizahantany swy hanatanterahina fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra eto an-toerana sy any ivelany ho an’ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny Nosy malagasy. Mandeha ny fandrakofana godirao ny lalam-pirenena 12A, ampahany […]

Tosika ho an’ny famokarana : mifanome tanana ny fanjakana sy ny ESSA

Miantsehatra eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy ma­nohy ny fikarohana avokoa ireo injeniera nivoaka avy eny amin’ny Sekoly ambony momba ny Hay famokarana sy ny zava­boahary (ESSA), eny anivon’ ny Oniversiten’Anta­na­na­rivo. Manome lanja ny fampiana­rana ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanjarian-tsakafo ny ESSA, amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana sy […]

Tetikasa Afafi Avaratra: nivoatra ny fiharian’ny mpamokatra

Manatanteraka ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (Bace). Mitentina 492 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Ao anatin’ny sehatra to­hanan’ny Vondrona eoropanina ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra. Manatanteraka azy ny Bace, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toeka­rena […]

Tetikasa Jumelage : Fanatsarana ny vokatra fanondrana

Nisy atrikasa nifampizarana ny fivoaran’ny asa vitan’ny tetikasa «Jumelage Frantsay-Italiana-Malagasy», ny 12 septambra teo, nandritra ny Foaran’ny famokarana (FIA), andiany fahenina teny amin’ny Parc expos Forello Tanjom­bato. Miahy azy ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), vatsian’ny Von­drona eoropeanina (UE) vola. Misy sokajin’asa 5 lehibe anatiny, hanatrarana ny tanjona, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

307 000 taonina isan-taona ny filana trondro eto Madagasika saingy mbola tsy mihoatra ny 142 000 taonina ny vokatra azontsika. Manome tohana ho fampakarana ny vokatra ny minisitera amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fanampiana ny akora ilaina ka nampitombo ny isan’ny mpiompy trondro ho 30 800. Haingam-pitombo sy mora lehibe ireo karazan’omby Montbéliard nampirantiana […]