Toe-karena

Telma: nivoaka ny marika Itel A60

Hany orinasa afaka ma­ninjara sy mivarotra ny finday Smartphone Itel A60 ny Tel­ma. Vokatra vaovao atolotra hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa izany, hita manerana ny toeram-pivarotan’ny Tel­ma rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny hahafahan’ny Ma­lagasy rehetra mampiasa ny niomerika sy ny fivoaran’ny teknolojia. Nilaza Rabefitia Riantsoa, tomponandraikitry ny fifandraisana amin’ny daholobe […]

Maroantsetra sy Mananara : hovahana ny olan’ny rano fisotro

Manana rano betsaka saingy tsy voafehy ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Taorian’ny fitarainan’ny mponina tamin’ny fi­loha Rajoelina, herinandro lasa izay, nidina tany an-toerana ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, ny 11 […]

Tontolo iainana: nampifandraisina ny siantifika sy ny mpampita vaovao

Manana ny anjara toerany mampita ny loharanom-baovao mankany amin’ny sehatra iantefany, ny fanaovan-gazety. Anisan’izany ny lafiny siantifika, nahatonga ny mpanao gazety niaraka nanao atrikasa tamin’ireo mpahay siansa amin’ny lafiny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Varuna, ny 6 hatramin’ny 8 jona teo, tany Ampefy. Sarotra ho an’ny besinimaro ny mahafantatra sy […]

Tetikasa Produir: trano fonenana 87 haorina eny Andavamamba

Miisa 700.000 ny mponina eto Antananarivo, miaina eny amin’ny toerana iva, mora tratry ny rano. An­isan’ny asa maika tsy miantsy hatao ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mahatratra 115.000 m3 ny fotaka mila esorina, ary tsy maintsy hafindra toerana ny mponina mipetraka manodidina ny lakandrano. Laharam-pahamehana ataon’ny tetikasa Produir, ny fanarenana […]

Faritra arovana Masoala : 100.000 dolara ho an’ny Medd

Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Fa­ri­tra arovana (AP) any Ma­so­ala io vola io. No­ma­rihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]