Toe-karena

Fihariana : sambo haingam-pandeha 4 ho an’ny mpanjono

Nanolotra sambokely haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika any amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Vina Marie-Orléa, ny 3 aogositra teo. Natao hanatsarana ny fiharian’ireo mpanjono ny nanomezana izao fitaovana izao, sady koa ahafahan’izy ireo manara-maso […]

Fampandrosoana : maro ny fotodrafitrasa vita eny Atsimondrano

« Atsimondrano fitaratra 2023 ». Io no fanambin’ny distrikan’Atsimondrano. Na teo aza ny krizy Covid-19 sy ny ara-toekarena maneran-tany, maro ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana vita tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay. Miisa 26 ny kaominina ao anatin’ny distrika Atsimondrano, tanta­nin’ny IRD ny 11. Ho an’ny fanamboaran-dalana, misy ny arabe vita godirao, rarivato, […]

Ravinala Airports Ivato: tohanana ny tetikasan’ny fikambanana manodidina

Nampahafantarina, omaly, ireo mendrika tamin’ny antso tolotra tetikasa ho an’ny fi­kambanana ao anatin’ny kaominina efatra (Ivato, Talata­maty, Anosiala, Ambatolampy Tsimahafotsy) manodidina ny orinasa Ravinala Airports eny Ivato. Mifantoka amin’ny lohahevitra telo ny tetikasa, ny fampandrosoana, ny tontolo iainana ary ny fanabeazana. Miisa 60 ireo nandroso tetikasa, ka 10 ny tafakatra […]

Seranan-tsambon’i Katsepy: Tosika amin’ny fampandrosoana

Hampiakatra ny toekarena ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny ny seranan-tsambo vaovao ao Katsepy. Hanamora ny fifanarahana ara-barotra sy ny fitateran’entana ity fotodrafitrasa ity ary hamorona asa ho an’ny tanora. Notokanana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, ny seranan-tsambo vao­vao ao Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny. Nita­rika ny lanona ny minisitry ny Fitaterana sy […]