Toe-karena

Fampiroboroboana ny indostria : tafatsagana ny filankevitra nasionaly

Nitsangana afakomaly, tetsy amin’ny EDBM Antani­narenina, ny filankevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM). Din­gana voalohany amin’ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria, natao sonia teo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, ny fametrahana ny CNIM”, hoy ny […]

Ifanadiana-Ikongo : ho tapaka ny lalana

Hamboarina ny tetezamby (pont Bailey) eo amin’ny PK 10+100 any amin’ny lalam-pirenena RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo. Haharitra 15 andro ny asa ka voatery tsy maintsy haato ny fifamoivoizana ho an’ny fiara rehetra, noho izany, manomboka anio 22 hatramin’ny alakamisy 7 desambra 2023. Manamarika ny minisiteran’ny Asa vaventy fa […]

Fambolena : ampanarahana ny vanim-potoana ny famokarana

Napetraka ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mahakasika ny fambolena (SNVCA). Tanjona ny hampiroboroboana ny famokarana. Andry iankinan’ny toekarena malagasy ny sehatry ny fambolena. Ma­nana ny lanjany amin’ny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany. Manoloana izany, atao eto Antananarivo mandritra ny roa andro ny atrikasa mikasika ny Paikadim-pirenena hanapariahana sy filankevitra mikasika […]

Taom-pambolena 2023-2024: nozaraina masomboly voafantina ny tantsaha

Antoka ho fampiroboroboana ny famokarana maharitra sy lovain-jafy ary dingana hanatrarana ny fanamby lehibe amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanohanana ny tantsaha. Nomena zezika sy ambioka tsara kalitao sy voafantina ny tantsaha ao amin’ny kaominina Merimandroso, distrika Ambohidratrimo, omaly. Noentanina koa izy ireo hampiasa fitaovana mekanika moderina sy manaraka ny teknolojia, haingam-piasa […]