Tsy hanaiky ny tapaky ny Vaomiera eoropeanina izay mametra ny taha farany ambony azo ekena amin’ny fisian’ny nikotinina ao anaty lavanila ny firenena malagasy. Hitsangana ny “task force” misy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny minisiteran’ ny […]
Toe-karena
CNaPS : tale jeneraly vaovao Rahaingonjatovo Vimbina
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 2 aogositra teo, ny fanendrena an-dRahaingonjatovo Vimbina, ho tale jeneraly (DG) vaovao, hitantana ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS). Miisa dimy ny nandrotsaka antontan-taratasy hofidin’ny fanjakana, ka izy izany no voasivana farany. Miverina miasa daholo ny mpiasan’ny CNaPS rehetra sady misokatra amin’ny ora mahazatra […]
Madagasikara sy La Réunion : fiaraha-miasa amin’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana
Mitohy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa isam-paritra eo amin’i Madagasikara sy La Réunion. Seha-pihariana maro no tsidihan’ny delegasiona malagasy ikarohana fiaraha-miombon’antoka sy lalam-barotra Mitsidika atsy La Réunion ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, miaraka amin’ny Malagasy mpandraharaha. Manotrona azy ireo koa ny loholona isany, Eddie Fernand Serge (sady kestora) […]
Hetsika “Fier Mada” : hahafahana manondram-bokatra any ivelany
Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ny hetsika “foire internationale de l’économie rurale de Madagascar” (Fier-Mada) andiany faha-24, atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. “Olom-baovao avokoa ny 60%-n’ ireo mpandray anjara”, hoy ny […]
Vao vita kely ny fararano : niakatra ho 3 000 Ar sahady ny kilaon’ny vary gasy
Fotoana tokony mbola ao anatin’ny mahamora ny vidim-bary izao aogositra izao. Efa miakatra tsikelikely sahady anefa izany, ary ahina ny amin’ny maitsoahitra. Midangana koa ny vary « stock », afarana avy any ivelany. Tena mamatsy vary ny eto an-drenivohitra ny avy any Alaotra sy ny any Bongolava ary Anjozorobe. Manomboka […]