Toe-karena

Fizahantany : mpizahatany 1 tapitrisa andrasana ho tonga eto Madagasikara

Nametraka tanjona ny hampiakatra ny isan’ireo mpizahatany tonga eto amin’ny Nosy ny minisiteran’ny Fiza­hantany. “Tanjona ny hanatrarana 1 tapitrisa mpizahatany ny taona 2028”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Ran­driamandranto Joël, om­aly, teny amin’ny CCI Ivato. Maro ny paikady entina ha­nantanterahina izany, tafiditra amin’izay indrindra ny hetsika International tourism fair Madagascar (ITM), […]

Famatsiam-bola Fec: andrasana ny filankevi-pitantanan’ny FMI

Nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ireo delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny mpitondra fanjakana malagasy. Nisy ezaka vita ny fanjakana fa maro koa ny mila hatao. Namita iraka teto Ma­da­gasikara izy ireo, ny 3 hatramin’ny 12 mey teo, mikasika ny Fampin­dra­mam-bola nohamoraina (Fec), andiany fahefatra. Efa nankatoavina ny marsa 2021 […]

Sokatra 43 very tany Toliara : tsy nampiharina ny Dinabe

Nisy sokatra miisa 43 tratra tany amin’ny tokantranon’olona iray, ny volana avrily teo. Niisa efatra no voarohirohy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dreed) Atsimo Andrefana. Olona telo indray no voaantson’ny fitsarana, nomena fahafahana vonjimaika ny roa, anisan’ilay nahatrarana ny sokatra tao an-trano, ary iray […]

Harena an-kibon’ny tany : nahitsin’ny loholona ny tamberim-bidy

Lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona, ny zoma 19 mey teo, ny volavolan-dalàna manavao ny mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Miisa dimy ireo andinin-dalàna ireo, ka anisan’izany ny fitsinjarana ny tamberim-bidy. Anisan’ny nahitsin’ny loholona ny andininy faha-31, mikasika ny fanomezan-dalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Afaka manome fahazoan-dalana ny filankevitry ny minisitra, […]

Imianta : fampandrosoana ny terak’Imady

Niorina ny taona 1991 ny Fikambanan’ny terak’Imady monina eto Antananarivo (Imi­anta). Tanjona ny hiroboroboan’ny mpikambana sy hisian’ny firaisankina ho an’ireo mila ravinahitra sy monina eto an-dRenivohitra. Mano­didina ny 4.000 ny mpikambana amin’izao fotoana izao. Ahitana mpandraharaha ara-toekarena, indrindra ny sehatry ny varotra, ny trano fiantranoana. Misy koa ny manana andraikitra […]