Hampiroborobo ny toekaren’ny mponina sy hanampy amin’ny fiarovana ny ala honko ny tetikasa Batan, hatao ao amin’ny faritra Diana. Mahatratra hatramin’ny 9 miliara Ar ny vola hamatsian’ny Agence française de développement ity tetikasa ity. Notanterahina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny tetikasa Batan. Tetikasa hanamafisana ny fiarovana […]
Toe-karena
Airtel Madagasikara: niova filamatra vaovao
Mihoatra amin’ny eritreritra, na « au-délà de l’imagination ». Miova ho izany indray ny teny filamatra vaovaon’ny Airtel Madagasikara, nanomboka ny alatsinainy 15 mey 2023 teo. Rivo-baovao entin’ny orinasa ho an’ireo mpampiasa ny tambajotra manerana an’i Afrika, indrindra ny tanora. Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny Airtel Madagasikara, Eddy Kapuku, fa « fanirianay […]
AFD-MEF: tohana ho an’ny fitantanana tsara ny volam-panjakana
Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tohana entina hanatsarana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana. Taorian’ny tombana ny taona 2013, natao ny taona 2016 ny famolavolana ny drafitrasa hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMGFP), mandritra […]
Lalana ratsy manerana ny Nosy: sakana voalohany tsy mampandeha ny toekarena
Mitaraina ny mpamily fiarakodia rehetra, velon-taraina ihany koa ireo mpandeha noho ny faharatsian’ny lalana manerana ny Nosy, indrindra rehefa amin’ny fotoam-pahavaratra. Sakana voalohany tsy mampandeha ny toekarena izany. Sady efa lafo no mampidi-doza ny fivezivezena manerana ny Nosy, amin’ireo lazaina fa lalam-pirenena ary tena tapaka na tsy azo aleha ny […]
Manakaiky ny mpanjifa : Telma Shop eny Anosivavaka
Tanjon’ny Telma ny hanakaikaizana kokoa hatrany ny mpanjifa. Nisokatra ho an’ny mpanjifa ny botika vaovao Telma Shop eny amin’ny Dyve Garden Anosivavaka Ambohimanarina. Toy ny fahita mahazatra, hita ao daholo ny tolotry ny Telma rehetra, toy ny MBalik sy ny MVola, miampy ny fikarakarana ny mpanjifa arakaraka ny filany avy. […]