Toe-karena

TICAD 2024 : zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ i Madagasikara sy i Japon

Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny fiaraha-miasa amin’i Japon. Voaresaka nandritra ny “Ticad 2024”, natao tany Tokyo, ireo ezaka efa vita sy ny vina hapetraka. Tontosa ny 24-25 aogositra teo, tany Tokyo, Ja­pon, ny fivorian’ireo minisitra ao anatin’ny “Ticad”. Nandray anjara sy nitarika ny delegasiona malagasy tany […]

VAOVAO TAMBATRA

Feno 30 taona ny Gerp, Vondrona fikarohana mahakasika ny varika eto Madagasikara. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohany, ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, sy ny fampirantiana ny lalana nodiavina, teny amin’ny Akademia Malagasy. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe:  “Ny varika, tsy fihinana, tsy fiompy ary manan-danja ara-toekarena satria misintona mpizahatany”. Mamokatra katsaka […]

Voly vary : fanamby ny hanondrana any ivelany

Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha, Rato­hiari­jaona Suzelin, sy ny handimby azy, i Hajarison Fran­çois Sergio, sy ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fia­didiana ny Repoblika misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana. Fanamby lehibe hapetrak’ireo minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny […]

Ralambofiringa David Herizo : «Laharam-pahamehana ny famokarana »

«Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ ny Fampiroboro­boana ny varotra sy ny indostria (Mic) ny famokarana amin’ny fitadiavana fampiasam-bola hananganana ozinina lehibe», hoy ny minisitra vaovao, Ralambofiringa David Herizo, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindravahy Edgard, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena akaiky, hoy izy, ny vidim-piainana andavanandro ka hiara-miasa amina minisitera […]

Fananganana orinasa : Ozinina 7 182 niforona tanatin’ny telo volana

Niroborobo ny fananganana orinasa tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona. Tafakatra hatrany amin’ny 7 182 ireo orinasa niforona. Nitombo io isa io raha oharina tamin’ny taona 2023. Mahatratra 7 182, niakatra 6,2% ny tahan’ny orinasa ara-dalàna niforona tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024, araka ny tatitra navoakan’ny Antenimieran’ny varotra sy […]