Tratra ny fanamby. Nahomby ny hetsika «Foire internationale de Madagascar» (Fim) andiany faha-17 tamin’ ity taona ity. «Nahasarika mpitsidika maro ity hetsika ara-toekarena lehibe ity. Tratra ny tanjona ho an’ireo mpikarakara, nahatratra 25.000 ireo mpitsidika nandritra ny efatra andro nanaovana ny Fim, teny amin’ny “Parc des expos”, Zone Forello, Tanjombato», […]
Toe-karena
40 taonan’ny ENI: hanangana laboratoara niomerika
Feno 40 taona ny Sekolim-pirenena ho an’ny informatika (ENI) any Fianarantsoa. Lohahevitra noraisina ny hoe «Sekoly mahay mamorona, taninketsan’ireo sangany amin’ny informatika». Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 24 mey 2023 ny fankalazana, mitohy mandritra ny telo andro amin’ny jolay ary ho faranana amin’ny desambra. Maro ny hetsika hatao, manodidina ny […]
Harena an-kibon’ny tany: birao tokana ho an’ny volamena
Nitondra fanazavana, omaly, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy. Noresahany ny hananganana ny birao tokana ho an’ny fanondranana volamena any ivelany. Eo koa ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Maromaro ny fiovana eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany, manomboka izao. Hatsangana ny birao tokana ho an’ny […]
Fiompiana: hiara-hiasa ny FMFP, MPE, IPA ary ny MDB
Natao ny zoma , nandritra ny foire internationale de Madagascar (FIM), teny amin’ny zone Forello Tanjombato, ny fanaovan-tsonia fifanarahan’asa ataon’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP) na ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa miaraka amin’ireo vovonona telo misehatra amin’ny fiompiana. Anisan’izany ny Malagasy professionnel de l’élevage (MPE), ny […]
Tohan’Ambatovy : fifampindramam-bola ho an’ny tantsaha
Tohanan’ny tetikasa Ambatovy koa ny fikambanana tantsaha any amin’ny distrikan’i Toamasina II, Brickaville ary Moramanga. Tantsoroka ahafahan’izy ireo mametraka ao anatin’ny fikambanana rafitra fanaovana tahiry sy fifampindramam-bola ary iarahan’ny mpikambana mitantana. Nataon’Ambatovy izany entina hanatsarana ny asa mampidi-bola ho azy ireo. Miisa 54 ny fikambanana tantsaha misitraka ny fanampiana avy […]