Miisa 58 ireo mpandraharaha nahazo fankatoavana (agrément) hanondrana lavanila. Voasokajy anatin’ny indostrialy avokoa izy rehetra ka afaka maka ny fanamarinam-pankatoavana eny amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (Mic) Ambohidahy, ao anatin’ny 15 andro. Tsiahivina fa tafakatra 4 400 taonina ny lavanila aondran’i Madagasikara tamin’ity taom-piotazana 2023-2024 ity, raha toa […]
Toe-karena
Fitantanana ranomasina Cop 11: firenena fikaroham-bahaolana sy hiasana i Madagasikara
Nifarana omaly, ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny Fifanarahan’i Nairobi (Cop11). Nasongadina fa i Madagasikara dia firenana fikarohana vahaolana sy fandraisana andraikitra. Lohahevitry ny Cop11, natao teto Madagasikara, ny « Fiaraha-miasa isam-paritra ho an’ny toekarena manga maharitra, fanatsarana ny fitantanana ny ranomasimbe Indiana Andrefana ». Raha aravona, miisa telo ny krizy mitranga maneran-tany: […]
FANTINA sy FINTINA
Hiaraha-hiasa ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (Pnud) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) amin’ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Hatsaraina ihany koa ny taha-pahavitrihan’i Madagasikara amin’ny varotra sy ny fandraharahana. Hamafisina ny fiaraha-miasa i Madagasikara sy Indonezia eo amin’ny sehatry ny fitaterana sy ny […]
Hetsika fampiroboroboana toekarena : horaisin’ny Madavision ny Fim, Fia, SIH…
Anisan’ny nitana anjara toerana teo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fihariana, ny hetsika nokarakarain’ny Forello Expo ary matihanina tanteraka. Hohatsaraina sy hihavao izany manomboka izao. « Isaorana ny eo anivon’ny fitantanana ny Forello Expo nametraka fitokisana aminay amin’izao handraisanay an-tanana ny hetsika rehetra, hatao eny Tanjombato izao », hoy ny tale […]
Taninketsa indostrialy ao Mananjary: tafapetraka ny milina hanodinana « chips »
Mitohy ny fampiroboroboana ny indostria eny Ifotony. Tonga ao amin’ny distrikan’i Mananjary, faritra Vatovavy, omaly, ny milina hanodinana ny soanambo sy akondro ary vomanga ho lasa « chips ». Tetikasa izay tafiditra ao anatin’ny taninketsa indostrialy. Toerana mamokatra voankazo i Mananjary, mahatratra hatrany amin’ny 60 000 taonina isan-taona ny vokatra azo. Antony nametrahana […]




