Iray amin’ireo mpiara-miasa amin’ny fadintseranana ny GasyNet, anisan’ny asany amin’izany ny fitsirihina amin’ny «scanner» ireo entana tonga na alefa, araka ny toromariky ny Fiombonamben’ny fadintseranana eran-tany (OMD). Fandalovan’entana eo amin’ny «scanner», fomba iray fanaraha-maso ireo entana raha mifanaraka amin’ny fanambarana natao. Tsy fandaniam-potoana koa ny fampiasana izany ankehitriny, tafiditra ho […]
Toe-karena
COI: manatsara ny tontolon’ ny asa aorian’ny Covid
Mampanao fiofanana isaky ny firenena momba ny fanatsarana ny asa Ny COI (Commission de l’Océan Indien). Ao anatin’izany ny fizahana akaiky ny sehatra tsirairay hahazoana toromarika eo amin’ ny fiaraha-miasa. Manohana izany ny Agence française de développement (AFD), ny Organisation internationale du travail (OIT) sy ny Cap Business Océan Indien. […]
Entana azon’ny mpandeha hoentina: mitaky fahazoan-dalana hatrany ny fadintseranana
Ampahany amin’ny asan’ny fadintseranana ny mampahafantatra ny tompon’entana amin’izay tokony hatao. Ny entana mahazo mivoaka sy tsy mahazo, mahazo miditra na tsia. Izany no atao mba hisorohana ny kolikoly ao anatin’ny fadintseranana, mankalaza ny faha-200 taona. Misy fepetra maro ampahafantarin’ny fadintseranana ho an’ny mpandeha tsirairay mivoaka any ivelany ny amin’ny […]
Dibo-drano: Be loatra ny vinany any Maroantsetra
Anisan’ny toerana dibo-drano foana ao Maroantsetra rehefa misy ny androratsy mandalo ao Analanjirofo. Araka ny fandinihan’ny tompon’ andraikitra any an-toerana, ny fisian’ny vinany na “embouchure” betsaka manodidina ny toerana ny antony mahatonga izany. Tafiditra ao i Maroantsetra, Ratambe ary Mananara Avaratra. Tampina vokatry ny fasika avy any an-dranomasina ireo vinany […]
Lalana: misokatra ny RN 6
Efa vita ny faran’ny herinandro teo, ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika any amin’ny lalam-pirenena RN 6, eo amin’ny PK 217+100 any Ambalavola Ambalafaminty, eo anelanelan’i Port Bergé sy Antsohihy. Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, satria efa azo ampiasaina ny fivilian-dalana, nametrahana tetezana vonjimaika hafa. Mitohy ny asa fanamboarana. Efa manomboka […]