Namoaka vaovao tao amin’ny pejiny facebook ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Atsimo Andrefana, ny 8 avrily teo. Voalaza, fa nisy olona efatra, nahatrarana sokatra arovana miisa 43, ny 7 avrily. Nahavariana anefa, fa olona telo ihany no niatrika ny fitsarana TPI Toliara ny 2 mey teo, araka ny tatitra […]
Toe-karena
200 taonan’ny fadin-tseranana : firosoana amin’ny teknolojia maoderina
Notokanana, omaly, teny Ivato, ny biraon’ny fadin-tseranana nohavaozina, ny Foibe fanaraha-maso ny famoahana entana. Ahitana ny fitaovana avo lenta, manaraka ny teknolojia maoderina amin’ny lafiny ladoany. Hanafaingana ny fikarakarana sy ny fanaraha-maso ny famoahana entana ny fisian’ity fotodrafitrasa ity, satria hihena ny fotoana lanin’ny mpanjifa. Nilaza ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana, […]
FEPA andiany faha-14 : mampiranty ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana
Nisokatra omaly, eny amin’ny tokontany malalaky ny Malagasy professionels de l’élevage (MPE), eny Nanisana, ny tsenaben’ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (Foire de l’élévage et de production animale). Haharitra efatra andro izany. Hita eny an-toerana ny ankamaroan’ny vokatra azo avy amin’ny fiompiana. Torak’izany ny fampitaovana ilaina. Mampiavaka ity […]
UE-OSC : olana ho an’ny tantsaha ny fahazoana tany
Natao ny 19 avrily teo, ny dinika teo amin’ny Delegasiona Vondrona eoropeanina eto Madagasikara (DUEM) sy ny solontenan’ny Fiarahamonim-pirenena (OSC). Lohahevitra nifampidinihina ny hoe « ny fambolena, ny fiarovana ara-tsakafo ary ny fananan-tany ». Nanamarika ny Fiarahamonim-pirenena (OSC) fa mbola marefo ny rafitra mifehy ny fambolena eny ifotony sy ny mponina. Tena […]
« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto
Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital Ankorondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Madagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. […]