« Antso tontolo miaina » : hampihaonina ny tontolo iainana sy ny kanto

Efa mby an-koditra ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny hetsika «Atson’ny tontolo miaina», hatao ny 20 mey hatramin’ny 5 jona 2023 (An­dro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana), etsy amin’ny Tour Zital An­ko­rondrano. Hetsika miompana amin’ny fandraisan’ny zavakanto anjara amin’ny fampitana hafatra fanairana eto Ma­dagasikara manoloana ny loza mitatao entin’ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy misy ny vidim-pidirana.
Hasongadin’ny mpanakanto amin’ity hetsika ity, fa manokatra ny lalana mampifandray ny olombelona amin’ ny zava-mananaina ny zavakanto, satria mitondra any amin’ny mahasondriana.
Fampirantiana zavakanto miompana amin’ny tontolo manodidina sy ny zava-boahary ny Antson’ny tontolo miaina. Miandraikitra azy ny Mad Art Advisory, hevitra avy amin’Ihoby Rabarijohn, tolorany miaraka amin’i Cecile Bourne Farrell. Hapetraka ny rohy mampifandray sady mampihaona ny sehatra samihafa ara-javakanto, toy ny hita maso, ny horonantsary fanadihadiana, ny mozika, sns.

Njaka A.

Partager sur: