Toe-karena

Ranovorin’Ambiroka : nandrotsahana zana-trondro Tilapia

Zana-trondro Tilapia 5843 no narotsaka tao amin’ny ra­no­vorin’Ambiroka, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maevatanana II, ny alarobia teo. Hetsika teo ambany fitarihan’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga. Vokatry ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny tetikasa WIOSAP. Tanjona ny hanamafisana ny fanohanana ireo mpanjono amin’ny seha-pihariana nosafidiany. Eo ihany koa ny […]

Fisitrahana tany: kara-tany 2.000.000 hozaraina hatramin’ny faran’ny taona

Mbola hitohy mandavantaona sy amin’ny fotoana tsy voafetra ny hetsika “herinandron’ny kara-tany”, izay nanomboka ny 24 avrily teo. Mbola hitohy manerana ny Nosy sy any amin’ireo faritra 23 manerana an’i Mada­gasikara ary eny anivon’ny kaominina izany. Tanjona ny hizarana kara-tany 2.000.000 hatramin’ny desambra 2023. Mahatratra ny 1.000.000 isan-taona kosa ny […]

Delestazy mavaivay: maharitra hatramin’ny ora efatra isan’andro

Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro lavareny ao Toa­masina. Tsy araka ny fanambarana nataon’ny tomponandraikitry ny jirama intsony ny zava-misy, izay nilaza fa adiny roa isan’andro ny fahatapahan-jiro. Ankehitriny, ta­pa­ka intelo isan’andro izany ka maharitra adin’ny efatra anatin’ny iray andro. “Ao amin’ny fokontany Morafeno sy ny manodidina, tapaka tamin’ny 2 ora latsaka […]

Tetibolam-panjakana-2024: ho jerena ny filan’ny mponina eny ifotony

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ao Taolagnaro ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra, hanangonana ny hetahetan’ny mponina eny ifotony. Atao ity hetsika ity hamadihana izany ho drafitrasa sy hampidirina anatin’ny lalàna fototra mifehy ny tetibola 2024. Nisokatra nanomboka ny zoma teo ao Tao­lagnaro, faritra Anosy, ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra (conférence budgétaire régionale, CBR) […]

Tolotra Ortana : fitsidihana ny farihin’ i Tsiazompaniry

Mitohy ny tolotra vaovao hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, karakarain’ ny Ofisim-paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana). Toerana azo tsidihina indray ny farihin’i Tsiazompaniry, 90 km any atsimo atsinanan’ Analamanga. Ho hita amin’ izany ny hakanton’ny zavaboahary mandritra ny dia eny an-dalana amin’ny fiara, ny fambolen’ny mponina, ny tsena isan-kerinandro, isaky ny […]