Mbola misy olona 67 mararin’ny Covid-19 eto Madagasikara, raha ny salanisa navoakan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny alatsinainy teo. Olona roa no namoy ny ainy ary olona roa hafa mbola marary mafy miady amin’ny fahafatesana. Tao anatin’ny herinandron’ny 24 ka hatramin’ny 30 desambra dia olona 15 vaovao no nahitana ny tsimokaretina coronavirus. […]
Toe-karena
Fisotroan-dronono : hanomboka amin’ny herinandro ny fizarana
Efa nivoaka ny tetiandro fandraisana ny fisotroan-drononon’ireo zokiolona misitraka izany ho amin’ity volana janoary ity.Voakasiky ny tetiandro ireo mandray eny amin’ny Perceptions Principales, ny Trésorerie Municipale d’Antananarivo (TMA) ny Trésorerie ministérielle chargée de la fonction publique (TMINFOP) ary ny trésorerie principale inter-communale (TPIC). Hanomboka handray ny vola fisotroan-drononony ireo zokiolona […]
Campus ao Barikadimy : hanomboka anio ny fanamboarana
Ny 22 desambra lasa teo ny fanambarana avy tamin’ny “service des œuvres” eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina fa tokony hiala ny trano misy azy ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka fa hisy fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa toy ny trano fonenana misy fahasimbana noho ny fahanterana sy vokatry ny fandorana nataon’ny mpianatra mitokona. […]
Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny DRH
Hitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana ny fikirakirana ny lafiny maha olona (DRH), eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mankasitraka ny fanalana ny taleny izy ireo. Nanomboka omaly, mitokona mandritry ny fotoana tsy voafetra ny mpiasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny fikirakirana ny lafiny maha olona […]
Fetin’ny taom-baovao : vola 150 000 Ar mahery no lanin’ny tokantrano iray
Tapitra ny fetin’ny taom-baovao, maro ireo olona hita teny amin’ny toerana fitsangatsanganana, toy ny eny Analakely sy Antaninarenina. Araka ny fanadihadiana natao, ny 1 janoary lasa teo, nahatratra 150 000 ar mahery teo no lanin’ny fianakaviana iray nanaovana fety. Ireo tanora lahy sy vavy no saika hita nameno ny toeram-pivarotana. […]