Toe-karena

Antsohihy: hamokatra tantely 12 taonina isan-taona

Mitohy ny fampiroboroboana ny taninketsa indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa « One District One Factory » (Odof). Nisitraka izany, ny alahady teo, ny distrikan’An­tsohihy. Hanodina tantely 100 litatra isan’ora sy hamokatra hatrany amin’ny 12 taonina isan-taona ny milina ao an-toerana. Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra ny fahazoana ny ozinina. […]

Filana andavanandro: tafakatra 900 Ar ny vidin’atody eny amin’ny mpaninjara

Mahatratra hatrany amin’ny 900Ar ny vidin’atody eny an-tsena, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra izany nanomboka ny volana jona teo. Ankehitriny, manomboka ny 750 ka hatramin’ny 900Ar ny vidin’izany. « Ireo atody madinika no mora vidy raha oharina amin’ireo vaventy », hoy Rasoa, mpivarotra eny Ana­lamahitsy. Mihena ny mpanjifa, voatery mampihena ny entana alaina […]