Toe-karena

Raharaha Jirama: Samborina ny tale jeneraly roa nifandimby

Namoahan’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly (Pac) didy fampisamborana ny Tale jeneraly roa nifandimby tao amin’ny Jirama. Maro ny vesatra iampangana azy ireo. Niakatra teny amin’ny rafi-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), ny alatsinainy teo, ny raharaha Jirama. Miisa 40 ny mpiasa sy mpitantana ity orinasam-panjakana ity voaantso teny. Naiditra am-ponja […]

IORA : hampivelatra ny fiaraha-miasa ara-barotra

Nandray anjara tamin’ny fihaonamben’ireo minisitra mivondrona eo anivon’ny IORA na ny « Indian Ocean Rim Association » andiany faha-22 natao tao Bangladesh, minisitry ny Raharaham- bahiny misolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, na­nom­boka ny 22 novambra teo. Nifototra tamin’ny fikatsa­hana ny tombontsoa iraisan’ ny firenena mikambana ity fihaonambe ity. Anisan’izany ny fampivelarana […]

“Play Your Airport”: tetikasa mitondra fanavaozana sy azo tanterahina

Nampanao fifaninanana “Play Your Airport” ny Ravi­nala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eo Ivato sy Nosy Be. Ny 25 novambra teo natao ny famaranana ka nankatoavina nahazo loka izay tetikasa mitondra any amin’ny fanavaozana momba ny fandraharahana ao amin’ny seranam-piaramanidina, fitaratara aty amin’ny ranomasimbe indianina. Nisokatra ho an’ny mpianatra sy […]

Atsimo Atsinanana: foara nitadiavana lalam-barotra

Notontosaina tany Fara­fangana renivohitra Atsimo Atsinanana ny foara niom­pana amin’ny toekarena. Tan­jona, fampahafantarana ireo vokatra misy ao amin’ny faritra : kafe, sakay, dipoavatra, tantely ; avy amin’ny fiom­piana sy ny jono : trondron-dranomamy sy ranomasina, langouste. Ny hita dia efa miroso amin’ny fanodinana ireo fikambanana ka efa misy fonosana tsara ny entana hahafahana […]

RAFPRO-FMFP: sarotra ny mahita mpiasa tena matihanina eto Madagasikara

Mpikambana feno ao amin’ny tambanjotra Rafpro* izao ny FMFP* eto Madagasikara nanomboka tamin’ny marsa 2019. Ny FMFP dia sampana iray mpanofana momba ny sehatrasa maro, indrindra ho an’ny tanora hahatonga azy ho matihanina. Mivory eto an-toerana nanomboka omaly hatramin’ny 1 de­sambra 2022, « Top management », izao ny tambajotra Rafpro iombonan’ny firenena […]