Hatao ny 20 hatramin’ny 23 jona 2024 izao, eny amin’ny foibe CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM), andiany faha-10. Miaraka amin’io koa ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny asa tanana (IHM). Firenena ho vahiny manan-kaja amin’ity fotoana ity i Côte d’Ivoire. Natao sonia fanindroany, omaly, ny fifanarahana iarahan’ny […]
Toe-karena
Fiompiana : « Misy manafina ny katsaka », hoy ny IPA
Maherin’ny 100 000 ny olona mivelona amin’ny fiompiana madinika. Misedra olana anefa ity fihariana ity satria midangana indray ny vidin-katsaka, sakafo fototry ny biby fiompy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Vovonana iraisan’ny matihanina (IPA) Madagasikara, katsaka ny 60% ny akora fototra amin’ny famokarana provandy. Tamin’ny taona2023, tafakatra 2 700 Ar […]
VAOVAO TAMBATRA
Azo tamin’ny volana novambra teo ny famatsiam-bola mitetina 60 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny kaompania Madagascar Airlines. Fanampiana azo taorian’ny fanovana napetraka momba ny fitantanana sy nanekeana ny drafitra napetraka. Na izany, vinavinaina hiverina ny taona 2025 ny sidina iraim-pirenena ataon’ny kaompania. Hahena hatrany amin’ny 50% ny […]
Faritra Diana : misokatra ny taom-piotazana lavanila
Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny taom-piotazana lavanila ao amin’ny faritra Diana. Hentitra ny fanaraha-maso noho ny fampiasana ny karatra manokana hanamarihina ny fifanakalozana ara-barotra. “Harahi-maso ny toerana hamarotana ny lavanila arakaraka ny tetiandro izay nomanina niaraka tamin’ny CRV. Noho izany, mampiseho ny karatra maha matihanina ny mpanangom-bokatra, na ny […]
Fanamboaran-dalana : tombanana ny RN 12 sy ny RN 24
Nijery ifotony ny fizotry ny asa any amin’ny lalam-pirenena RN 12, mampitohy an’Irondro sy Vangaindrano, sy ny RN 24, mampifandray an’Andranomborondolo hatrany Vohilava ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Niaraka tamin’izy ireo koa ny avy amin’ny orinasa La Précision manao ny asa, ny Bureau d’études […]




