Tetikasa goavana. Tafiditra tao anatin’ny lahadinika nandritra ny hetsika « Gitex Africa 2024 », natao tany Maroc, ny faran’ny herinandro teo, ny fananganana ny ivontoerana iraisam-pirenena momba ny Intelligence artificielle (IA), eto Madagasikara. Nisy ny fifanaovan-tsonia hanadihadiana ny fanatanterahana ny tetikasa. Hahafahan’i Madagasikara miditra eo amin’ny tsenan’ny teknolojia ity fifanarahana ity. Anisan’ireo miara-misalahy […]
Toe-karena
Madagascar Airlines: hanampy isa ny fiaramanidina Q400 ny Cem’Air
Tafiditra tanteraka amin’ny vanim-potoana mahabetsaka mpizahatany isika izao. Vonona hanome tanana ny kaompania Madagascar Airlines ny kaompania Cem’Air amin’ny sidina anatiny ataony. Hiara-hiasa sy hampanofa ny fiaramanidina Q400 ho an’i Madagascar Airlines, nanomboka ny faran’ny herinandro teo ka hatramin’ny volana jolay, ity kaompania Afrikanina tatsimo ity. Hetsika izay tafiditra ao […]
Tetikasa ODOF: hiara-hiasa i Madagasikara sy i Alemaina
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny taninketsa indostrialy. Vonona hiara-hiasa amin’ny firenena malagasy ny masoivoho Alemaina amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Voasoritra nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny fanjifana (MIC) sy ny masoivoho alemà, Michael Häusler, omaly, tetsy Ambohidahy, ny momba ny paikady hanatanterahina […]
SIAE andiany fahatelo: mivelatra amin’ny fampihaonana ny mpandraharaha
Taorian’ny fahombiazan’ireo hetsika roa voalohany, « Salon international des acteurs économiques » (SIAE), hivelatra kokoa amin’ny fampihaonana ireo mpandraharaha ny hetsika andiany fahatelo izay hanomboka ny alarobia izao, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Hiavaka tanteraka ny ranty iraisam-pirenena momba ireo mpisehatra ara-toekarena (SIAE) amin’ity andiany fahatelo ity. Hivelatra kokoa amin’ny […]
Ladoany: Ampiasaina ny E-Tariff Tool
Mampihatra ny fandoavan-ketra amin’ny internet ny fitantanana foibe ny fadintseranana, amin’ny alalan’ny E-Tariff Tool. Manohana ny fanatanterahana azy ny Fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny ladoany (OMD). Azo ampiasain’ny besinimaro ity fitaovana ity, mamaritra ny saran’ny haban-tseranana tokony haloany, amin’ny fomba haingana sy mahomby. Nomen’ny OMD alalana ny fametrahana azy eto Madagasikara […]




