Nankalazaina omaly, tao amin’ny saha Imaitsoanala, any Mandraka, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (JIB). Nitarika ny fotoana, tamin’izany, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Antoine Andonirina, niaraka tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana rehetra. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « Miasa miaraka ho an’ny […]
Toe-karena
CT Motors : efa eto ny Tank 500
Efa eto Madagasikara ny Tank 500 an’ny Great Wall Motors (GWM). Efa azo jifaina ao amin’ny CT Motors ity SUV izay misy karazany roa ity. Ny voalohany izay manana moteur thermique 3l V6 twin turbo, 350 chevaux. Ny faharoa manana moteur hybride, itambaran’ny moteur thermique 2l 4 cylindres sy moteur […]
“Ode ry Gasikarako” andiany faharoa : manambatra ny hery ho fiarovana ny tontolo iainana
Miantoka ny fampivoarana ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Ilaina ny fanambarana ny hery rehetra ho an’ny fiarovana izany mba ho lovain-jafy sy hiainana mirindra miaraka amin’ny natiora. Ho an’ny taninjanaka! Loza mitatao ho an’ny mpiara-belona ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny karazana zavamananaina. Ilaina ny fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientan’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Manodidina ny 5 000 isa ny vola 50 Ar volamena vokarin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Efa misokatra ny fisoratana anarana hahafahana mividy izany amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar. Afaka misoratra anarana ao amin’ny tranokalam-pifandraisain’ny BFM ireo rehetra maniry te hisitraka ity vola volamena ity. Mahatratra 80% ny ala honko velona […]
Fifanakalozana ara-barotra : hita eto ny 95% ny vokatra tadiavin’ny vahiny
Fahombiazana. Maro tamin’ ireo mpandraharaha no nahazo fifanarahana ara-barotra taorian’ny fihaonana tamin’ireo vahiny mpandraharaha (kanadianina sy afrikanina tatsimo) nanomboka ny 27 mey teo. Nahafahana nampivelatra ny tsena any amin’ireo firenen-dehibe ny fihaonana, hoy ny fanazavana voaray. Voafaritra, nandritra izany, ny filan’ ireo teratany vahiny ka ananantsika avokoa ny 95% ny […]




