Toe-karena

Fandraharahana: tombontsoa azo amin’ny maha ara-dalàna na formel

Ao anatin’ny herinandro ho an’ny fandraharahana, ny 14 hatramin’ny 20 novambra, misy famelabeleran-kevitra momba ny « maha ara-dalàna na formel, manome lanja ny toekarena maharitra » hatao anio 16 novambra, ao amin’ny antenimieran’ny varotra eto Antananarivo. Tanjona ny  hanehoana ny tombontsoa azon’izay ara-dalàna na formel amin’ny fandraharahana ataony, manazava ireo dingana rehetra arahina […]

Talen’ny kabinetra MEH: “Mifono hevitra politika ny fanambaran’ny VOMZM sy ny SEMM”

Naneho hevitra ny talen’ny kabinetra ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Randrianaina Odon, omaly, manoloana ny fanambaran’ny mpitarika fikambanana Vondron’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa (VOMZM) sy ny sendika SEMM. Aminy, misy ambadika politika ireny fanambarana ireny. Raha tsiahivina, nitaky ny fanalana ny minisitra MEH, Ramaroson Andry ireto naneho hevitra. […]

Varotra iraisam-pirenena – CCI :Voafidy hanondrana vokatra any Chine i Madagasikara

Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa. Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo.  Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, […]

QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina

Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly  misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika […]