QMM: havadika ho entona ny rano avy nampiasaina

Mitohy ny fanatsaran’ny orinasa QMM ny fitantanana ny rano avy nampiasainy amin’ny asa fitrandrahany any Taolagnaro. Misy ny tetikasa andrana, hananganana dobo manokana, hanadiovana ny rano avy nampiasaina amin’ny fitrandrahana. Haharitra enim-bolana ity tetikasa andrana ity, mamaly ny fepetra ara-dalàna napetraky ny Antokon-draharaha nasionaly  misahana ny rano (Andea), tsy hiantraika any amin’ny rano hafa manodidina ny toeram-pitrandrahana.

Nilaza i Paul Kluge, talen’ny asa teknika mikasika ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny QMM, fa tafiditra ao anatin’ny paikady amin’ny fitantanana ny rano avy nampiasain’ny orinasa ity tetikasa ity. Izany hoe, ahena araka izay kely indrindra ny rano mivarina any ivelany, sady tsy hiantraika amin’ny toerana manodidina ihany koa. Misy ny fitaovana manokana mandrindra ny kalitaon’ny rano mivarina any ivelany. Mahatratra 200 m3 isan’ora ny hadirin’ny rano tantanina amin’ity tetikasa andrana ity.

Hisorohana ny rano tondraka

Tsy natao ambanin-javatra koa ny tranga manokana mpahazo an’i Madagasikara amin’ny loza voajanahary. Isan’izany ny fisian’ny rano be loatra mandritra ny orambe, ka mampitobaka ny rano sy mety ho tondraka ny dobo fitahirizan-drano ampiasain’ny QMM amin’ny asa fitrandrahany.

Misy koa ny tetikasa iray hafa, hampiasana fitaovana manokana, mitroka ny rano avy nampiasaina ary havadika ho lasa entona. Mahatratra 45 m3/ora ny rano trohan’ilay fitaovana havadika ho entona. Haharitra efa-bolana ity tetikasa iray hafa ity, efa natao andrana tamin’ny volana mey 2022 teo. Hisy ny tombana hataon’ny teknisiana avo lenta, hijerena ny fahombiazana sy ny zavatra mila hatsaraina.

Njaka A.

Partager sur: