Varotra iraisam-pirenena – CCI :Voafidy hanondrana vokatra any Chine i Madagasikara

Hatevenina ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine. Tompon-kevitra amin’izany ny Centre du Commerce International (CCI) sy ny fitondram-panjakana sinoa.

Firenena afrikanina valo no tohanana hanondrana vokatry ny fambolena any Chine sy hisarika mpampiasa vola sinoa amin’ireo tany afrikanina ireo.  Voafidy ao anatin’izany i Madagasikara, miampy an’i Ethiopie, Kenya, Maurice, Rwanda, Uganda, Mozambika, ary Zambia. Fifanakalozana ara-barotra no tena votoatin’ny fiaraha-miasa sy fampiasam-bola amin’ireo firenena ao anatin’ny sehatry ny fambolena.

Mbola malalaka rahateo ny tsena any Chine sy ny tinady amin’izay vokatry ny fambolena izay. Orinasa efatra eto Madagasikara hatramin’izao no mitrandraka lohamenaka ka naneho ny fahavononany handray anjara amin’ny tsenabe China International Export hatao any Shanghai amin’ny volana novambra  sy mandritra ny China –Africa Economic Trade Export, isaky ny roa taona, volana jona. 

Manampy amin’ny SPS

Telo taona ny faharetan’ny tetikasa, nanomboka tamin’ny septambra 2021 hatramin’ny 2024, hatao hamoronana asa sy ady amin’ny fahantrana. Satria mahakasika ny vokatry ny fambolena sy sakafo ny haondrana, tsy maintsy takin’i Chine ny fanajana fepetra ara-pahasalamana (Sanitaires et Phytosanitaires – SPS). Takina koa ny tetikasa manampy ireo firenena amin’ny fitandroana izany fepetra izany.

Nambaran’ny minisitra Razafindravahy Edgard fa vola very fotsiny ny tetikasa raha tsy misy fiantraikany tsara amin’ny fiainan’ny mponina. Tsara raha misy birao mandrafitra ny fepetra takin-dry zareo Sinoa eto Madagasikara, mba tsy ho voahilika ny vokatra malagasy. Raha voalaza fa tsy manara-penitra ny vokatra avy eto an-toerana, matiantoka ny tantsaha sy ny mpandraharaha hatramin’ny firenena manontolo.

Nasehon’ireo delegasiona CCI, notarihin’i Jiang Xuejun tamin’ny fitsidihana ny minisitra misahana varotra, Razafindravahy Edgard, ny 9 aogositra 2022 ny tetikasa « Fiaraha-miasa fanatsarana ny fanondranana entana avy aty Afrika mankany Chine ».

Ndrina

.

Partager sur: