Natao, ny 10 desambra teo, ny fandrotsahana zana-trondro miisa 5.000, ao amin’ ny farihin’i Tsiazompaniry, distrika Andramasina. Fanindroany ity hetsika ity, iarahan’ny fitantanana jeneraly ny fitananam-paritry ny jono sy ny toekarena manga (DGEB sy ny DRPEB) manatontosa. Nanatrika ny fotoana teny Tsiazompaniry ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert sy ireo […]
Toe-karena
Olan’ny Jirama: efa mandeha ny andrana amin’ny gropy G4 Andekaleka
Nanomboka ny herinandro lasa teo ny andrana ny gropy fahefatra G4 any Andekaleka, nampifandraisina amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Taorian’izany, natolotra, omaly, ny fampahafantarana ny fampihodinana ny fitaovana sy ny milina, miainga avy any Andekaleka mankany Ambohimanambola. Manana tanjaka 30 MW ny gropy G4, izay vao napetraka any Andekaleka. Manana tanjaka […]
Afrika: tokony ho foana ny mosary amin’ny taona 2023
Raha jerena ny antontanisa ankapobeny aty Afrika, azo foanana tsara ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo. Satria azo hajariana sy ambolena ny 65%-n’ ny velaran-tany sady lonaka, ary misy ny loharanom-bola afaka manohana, toy ny Bad sy ny Fida. Saingy tsy ho tratra ato anatin’ny fotoana haingana izany raha ny […]
Ambatomaro sy ny manodidina: niverina amin’ny ampahany ny rano
Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro. […]
Iray Volana nomerika: mitaky fitaovana teknolojia vaovao
Nandritra ny volana novambra, nifarimbona ny eo anivon’ny talem-paritra miisa enina eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT)* eto Analamanga, Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, izay nanatontosana ny hetsika «Volana nomerika» (Mois du numérique). Nianaka nanerana an’i Madagasikara ny […]